Return   Facebook

The Universal House of Justice

Ridván 2026

To the Bahá’ís of the World

Dearly loved Friends,

Manomboka, amin’izao fotoana izao, ny dingana faharoa lehibe kokoa amin’ny Planina Sivy Taona. Hitantsika mandroso miaraka am-piraisankina ny vondrona Bahá’í maneran-tany, matoky tanteraka ny lalan-kizorana efa nofaritany. Tsy misy isalasalana intsony ny fahazavan’ny fahatakarany sy ny faharesen-dehatra ananany. Tsy kivy na matahotra na voazongonzon’ireo fikorontanana mitombo maneran-tany izy, fa mifantoka amin’ny iraka masina iantsoana azy. Faly izahay mahita ireo mpino vao nanaiky ny finoana mandray anjara amin-kafanampo eo amin’ny sehatry ny fanompoana sy ny hetsika, miaradalana amin’ireo efa matotra efa ela tao amin’ny Finoana. Ireo vondromparitra tsatoka fahatelo dia hita fa lasa tany lonaka ahafahana mioty sy mampiely traikefa manankarena. Ary tena finaritra izahay mahita ny namana amin’ny toerana rehetra, misaintsaina ny hafatra natolotray ho an’ireo Mpanolotsaina izay tafavory teto tamin’ny Desambra, ary nisintona avy amin’izay noraiketiny eo ampandrafetana planina sy eo am-panantanterahana ny asa.

Izany toe-tsaina mifantoka amin’ny tanjona izany dia hita miharihary tokoa tao amin’ireo fivorian’ireo rafia-pitantanana izay notanterahina maneran-tany. Imbimberina, ireo fitantarana ireo fihaonana ireo no mitatitra tranga mitovy: resadresaka lalina sy feno fahatakarana, mifototra amin’ny traikefa niainana mivantana amin’ny fananganana vondrona mihovitrovitra, fa tsy avy amin’ny alalan’ny faminavinana na ireo petra-kevitra fotsiny ihany. Io resadresaka io dia voaentana amin’ny alalan’ny zotra-panovozana mitohy tsy tapaka isaky ny toerana tsirairay avy. Vonton’ny fankasitrahana lalina hatrany ny amin’ny lanjan’ireo ezaka ataon’ny vondrona Bahá’í izy io sy ireo fihantraika raiketiny ho an’ny tontolo iharan’ny korontana izay mila tari-dalana fatratra. Miha-midadasika ny fahatsapana filàna fandraisana andraikitra sy fahavononana, ary misy fahatsiarovan-tsaina matsilo momba ny halehiben’ny asa eo anoloana. Matetika, io resadresaka io dia manokatra fomba fijery fanampiny sy famenony, izay manome lanja ireo ezaka ataon’ireo vodrona sy ny tsirairay, tsy ho toy ny fikatsahana fandaharan’asa sy tetikasa fotsiny ihany, fa ho toy ny fikolokoloina fomba fiaina milasitra amin’ireo fampianaran’Andriamanitra—asa, fifandraisana ary hetaheta samy mamolavola.

Io resadresaka feno fahamatorana io ihany, izay taratry ny fanoloran-tena ho amin’ny fanovozana, no ampandrosoina mandavana ny vondrona avy amin’ireo sehatra nasionaly sy rezionaly ka hatrany amin’ny tanana kely sy ny kartie, ary amina sehatra isan-karazany, anisan’izany ireo fivoriana karakarain’ireo andri-pitantanana, eo ihany koa ireo sehatra hafa vao mitsiry. Azo antoka fa ho toetra hampiavaka ny Fihaonambe Nasionaly ihany koa izany. Miandrandra ny hahita lasitra toy izany mihamatanjaka sy mihamivelatra eo amin’ny asan’ny tsirairay sy ny asa iombonana eo am-pivoaran’ity resadresaka ity izahay. Toy ny mahazatra, dia resadresaka tokony hitarina hatrany eo amin’ny faribolana mihamitombo eo amin’ireo namana, ny mpifanolo-bodirindrina, ary ireo fanahy hafa mitovy firehana, izay miombonkevitra amin’ny ezaka entina mampandroso ny lafiny ara-panahy sy ara-materialy miorina amin’ny maha-iray ny zanak’olombelona iray manontolo. Ireo sehatra voaforina hanitarana io resadresaka io—na izany mipoitra ho azy na efa voaomana efa ela mialoha—dia manondro ny firotsahana lalindalina kokoa ao anatin’ny fiarahamonina, ary manantena izahay fa hanjary hihamaro sy ho lasa mahazatra hatrany izany.

Maro amin’ireo olona ao amin’ny fiarahamonina amin’ny ankapobeny, tojo ireo hetsika eny ifotony ataon’ireo Bahá’í no talanjona amin’ireo toetoetra mampiavaka azy: mipoitra avy amin’ny fiahiana amin-kitsimpo ny fahasambaran’ny rehetra izy, mifantoka amin’ny firaisankina sy ny fanompoana, ary manaraka foto-kevitra mazava nefa tsy mihambo ho manana valin’ny olana tsirairay avy hatrany. Amin’ny toe-tsaina ho amin’ny ezaka iombonana, ireo Bahá’í dia mikatsaka ny hiara-hiasa amin’ny hafa sy hiara-manovo amin’izy ireo; ary amin’ireo fifandraisana aoriny amin’ireo olona mitana toeram-pahefana sy andraikitra eo amin’ny fiarahamonina, dia maneho fahamatorana sy fahiratan-tsaina izy ireo. Mikatsaka fiovana ara-tsosialy izy ireo tsy misy fikasana politika na tombontsoa manokana, ary mahafantatra sy miaiky izy ireo fa, rehefa miakatra ny lazan’ny Finoana, dia manjary zava-dehibe ny miantoka fa takatra tsara ny maha-izy azy marina ny Finoana sy ireo tanjony. Any amin’ny toerana maro, ny fitomboan’ny halalin’ny fifandraisan’ny vondrona amin’ny fiarahamonina amin’ny ankapobeny dia midika, tsy azo ihodivirana, fa misy ireo toe-javatra vaovao hirotsahana, sy ireo fanontaniana vaovao mila valiana; ary izany dia manosika ny vondrona hampivelatra hatrany ireo fahaiza-manaony manokana.

Araka ny nohazavainay tao amin’ny hafatra nalefanay ho an’ny Fihaonamben’ny Mpanolotsaina farany teo, dia fivoarana lehibe nandritra ny efa-taona lasa ny fisandratan’ny vondrona ho mpandray anjara mazava sy mavitrika kokoa amin’ny Planina, mandamina ny tenany mba hamaliana filàna manokana sy hampandroso sehatra ezaka manokana, mba hanolorana fanohanana mifamaly amin’ny alalan’ny fiaraha-miasa, ary hianatra ho mahomby hatrany ao anaty fivoaran’ny sahan’asa iray. Ohatra iray tena misongadina amin’izany ireo andiana tanora izay miara-miasa ao amin’ny toerana lokaly iray, ary mamporisika ireo namany handray anjara amin’izany. Mazava ho azy fa mitombo hery lehibe ny ezaka ataon’izy ireo noho ny fanohanana sy fitarihana feno fitiavana avy amin’ny andri-pitantanana, nefa nasehon’ny tanora ihany koa ny fahaizany mandray andraikitra sy mamantatra lalana mahomby ho amin’ny fanompoana. Matetika loatra, ireo ezaka ireo dia miseho ao anatin’ny tontolo feno fifandirana sy fikorontanana, tsy fitoviana ara-toekarena, ary fizarazarana lalina eo amin’ny fiarahamonina. Fantatray ireo fanamby atrehan’ny tanora ao anatin’izany toejavatra izany, ary midera azy ireo izahay noho ny fanoherany ny fironana hitsikera sy hanameloka, fa mikaroka kosa ny mitady fomba mahomby sy manorina handresena ireo sakana mankadiry ireo, ary miasa ho amin’ny fandresena azy ireo amin’ny farany.

Ry namana malala, na dia misafotofoto mafy aza ny vanim-potoana, dia mandrisika mafy anareo izahay mba tsy hitebiteby na ho kivy. ‘Abdu’l-Bahá dia manoro hevitra antsika rehetra hiantehitra amin’ireo fahasoavan’Andriamanitra, ka arak’izany, ho “feno fanantenana mandrakariva”, ho “mafy orina” amin’ny fanantenantsika, ary ho “anton’ny fanantenana ho an’ny fanahy kivy”. Rehefa mihamaizina ny faravodilanitr’izao tontolo izao, dia lasa fananana tsy fahita firy sy sarobidy ny fanantenana—kanefa tamin’ny alalan’izany no nitahiana be dia be tokoa ny vondron’Ilay Anarana Lehibe noho ny fahareseny lahatra tanteraha ny amin’ny hoavin’ny zanak’olombelona sy noho izay fanovozana efa azony avy amin’ny traikefany manokana. Maro dia maro izy ireo no maniry fatratra ny fanantenana izay azonareo entina ao am-pon’izy ireo.

Ho ohatra volamenan’ny izany hoe vondrona izay efa hatry ny ela no niaro sy nitahiry ny lelafon’ny fanantenana izany, mibanjina an’ireo mpanaradia an’i Bahá’u’lláh ao amin’ny Toerana Nahaterahan’ny Finoany izahay izay niharan’ny tsy rariny nefa feno faharetana hatrany, tsy voahozongozona mihitsy, manana fahaiza-miarina mandrakariva. Jereo hatraiza no fihanonan’izy ireo hatrany ao anaty fifehezan-tena, hatraiza ny fifikirany amin’ny fotopinoana mihoatran’ny am-polo taonany maro teo ambanin’ny fanenjehana tsy misy fitsaharany—ary hatraiza ny fahavononan’izy ireo hianatra avy amin’ireo fandrosoana vitan’ireo mpino namany any amin’ireo firenena hafa, sy ny fahatapahan-kevitr’izy ireo hanompo sy hampahery ireo mpiaray tanindrazana aminy ao amin’ny tany izay tsy an’iza fa azy ireo ihany. Ho an’ny maro amin’ireo mpiaray tanindrazana, izy ireo no efa—ary mbola mitoetra ho—fanilo mitondra fanantenana, loharanon’ny fangorahana sy ny fahatakarana, ary namana azo itokisana eo amin’ny lalan’ny fanompoana. Tao anatin’ny herinandro sy volana vitsivitsy farany teo, ireo namana izay tena lalainay fatratra ireo dia tsy niala tao an-tsainay mihitsy ary mitamberina imbetsika ho antom-bavakay, toy ny fanananay toky fa tao anatin’ny vavakareo ihany koa izy ireo, mangataka amin’ny Tompo Be Fitiavana mandrakariva mba hamihina azy ireo eo an-tratran’ny Fitahiany feno fitiavana.

Ny ezakareo manokana amin’ny fampandrosoana ny Finoan’Andriamanitra dia anisan’ny ivon’ireo fitalahoana atolotray eo amin’ny Tokonana Masina—indrindra amin’izao fotoana izao, eo am-piandohan’ny dingana vaovao amin’ny Planina Sivy Taona. Isaky ny manantona sy mibanjina ireo Tokonana Masina izahay, dia mitalaho ny fanampiana sy ny fitarihan’Andriamanitra ho an’ireo ezakareo, ary mangataka faharetana sy hery ho anareo amin’ireo asa ilofosanareo. Enga anie ianareo ho mailaka amin’ny fandraisana andraikitra ary ho feno fahalinana amin’ny fanovozana, ary ho anareo anie ireo fitahiana rehetra avy amin’ny fanjakana any an-danitra.

 

Windows / Mac