TAKELA-PAHATSIAROVANA (#9363)

*(Ity takela ity dia vakiana eo amin’ny fasan’i Bahá’u’lláh sy i Báb. Vakiana matetika koa amin’ny fahatsiarovana ny fitsingerenan’ny taonany).

Ny fiderana izay miposaka avy amin’ny Tenanao hajaina indrindra, ary ny voninahitra izay namiratra avy amin’ny Hatsaran-tarehinao mitomaratra indrindra, dia mitoetra ho Anao, O Ianao izay Fanehoana ny Fahalehibeazana, Ilay Mpanjakan’ny Mandrakizay ary Tompon’izay rehetra eto an-tany sy any an-danitra!
Vavolombelona aho fa, noho Ianao, ny fiandrianan’Andriamanitra sy ny Fanapahany, ny voninahitr’Andriamanitra sy ny Fahalehibeazany, dia naseho, ary ny Kintana Marainan’ny Famirapiratana fahagola dia nandefa ny tarany eny amin’ny lanitrin’ny Didinao tsy azo ovaina, ary ny Hatsarantarehin’Ilay tsy Hita maso dia namirapiratra teny ambonin’ny faravodilanitry ny voahary. Vavolombelona koa aho fa, noho ny fihetsikin’ny Peninao, ny didinao «MISIA» dia nihatra, ary ny zava-miafin’ Andriamanitra dia navoaka, ary ny manan’aina rehetra dia nantsoina ho amin’ny fisiana, ary ny Fanambarana rehetra dia narotsaka.
Vavolombelona ihany koa aho fa, noho ny Hatsaran-tarehinao, ny hatsaran-tarehin’Ilay Tiana dia nalana sarona, ary noho ny Endrikao, ny endrik’Ilay Nirina dia nanjelanjelatra, ary noho ny teny iray avy Aminao, dia nandidy Ianao ho an’ny manan’aina rehetra, izay nahatonga azy ireo, izay nanam-pitiavana Anao, hisandratra eny amin’ny tendron’ny voninahitra, ary ireo mpivadika ho latsaka ao amin’ny hantsana lalina indrindra.
Vavolombelona aho fa izay nahafantatra Anao dia nahafantatra an’Andriamanitra ary izay nahatratra ny Fanatrehanao dia nahatratra ny fanatrehan’Andriamanitra. Lehibe, noho izany, ny tsodranon’izay nino Anao, sy ny Famantaranao, izay nanetry tena teo anatrehan‘ny Fiandriananao, ary nomem-boninahitra nihaona Taminao, ary izay afaka nanatratra ny fahafinaretan’ny Sitraponao, nihodidina Anao ary nijoro manoloana ny Seza-fiandriananao. Loza ho an’izay nanota Taminao, ho an’izay nivadika Taminao ary izay nandà ny Famantaranao, izay tsy nanaiky ny Fiandriananao ary nitsangana hanohitra Anao, izay feno fireharehana teo anatrehan’ny Endrikao, ary nandà ny Fijoronao vavolombelona, nandositra ny Lalànao sy ny Fanapahanao ka noheverina ho isan’ireo mpivadika izay voasoratra ao amin’ny Takelaka masinao ny anarany tamin’ny ratsan-tanan’ny Baikonao. 
Alefaso amiko, noho izany, O ry Andriamanitro ô, sy Ilay Malalako, avy amin’ny tanan-kavanan’ny Famindramponao sy ny Hatsaram-panahinao feno fitiavana, ny tsio-drivotra masin’ny Fahasoavanao, mba hahazoany misintona ahy hiala amin’ny tenako sy amin’izao tontolo izao ho any amin’ny lapan’ny fanakaikezana Anao sy ny Fanatrehanao. Manam-pahefana hanao izay mahafaly Anao Ianao. Marina tokoa, faratampony mihoatra ny zavatra rehetra Ianao.
Ny filazana an’Andriamanitra sy ny fiderana Azy, ny voninahitr’Andriamanitra sy ny Famirapiratany ho Aminao, Ianao izay Hatsaran-tarehiny! Vavolombelona aho fa ny mason’ny nohariana rehetra dia mbola tsy nahita na oviana na oviana tamin’ny nampahoriana toa Anao. Nilentika nandritran’ny androm-piainanao rehetra Ianao tao anatin’ny ranomasimben’ny fahoriana. Nisy fotoana, nifatotra rojo vy Ianao; tamin’ny fotoana  hafa, norahonana tamin’ny sabatry ny fahavalonao Ianao. Kanefa na dia izany rehetra izany aza, dia nandidy ny olona rehetra Ianao hitandrina izay nandidiana Anao avy amin’Ilay Mpahalala ny zavatra rehetra, Ilay Hendry tokoa.
Aoka ny fisainako atao sorona noho ny fijaliana izay niaretanao ary ny fanahiko atao antoka noho ny fahoriana izay nozakainao. Mitalaho amin’ Andriamanitra aho noho Ianao sy noho ireo izay nohazavaina ny endriny tamin’ny fanjelanjelatra manjopikan’ny Endrikao ary noho ireo izay, noho ny fitiavana Anao, dia nitandrina izay rehetra nandidiana azy, mba hanala ny voaly izay manelanelana Anao sy ny Voaharinao, ary mba hanome ahy ny soan’ity tany ity sy ny any ankoatra. Ianao marina tokoa Ilay Mahery Indrindra, Ilay Avo Indrindra, Ilay Be voninahitra Indrindra, Ilay mamela heloka mandrakariva, Ilay Be fangorahana Indrindra.
Tahio, Ry Tompo Andriamanitro ô, ny “Hazo-Farany” masina, ny raviny, ny rantsany, ny sampany, ny tahony sy ny solofony, raha toa ka mbola maharitra koa ny Anaram-boninahitrao tsara indrindra sy ny toetranao tena mendrika. Arovy izy ireo, amin’ny asa ratsin’ny mahery setra sy ny tafiky ny mpanao didy jadona. Ianao marina tokoa Ilay Mahery Indrindra, Ilay Manam-pahefana Indrindra. Tahio koa ry Tompo Andriamanitro ô, ny mpanompolahy sy mpanompovavinao izay nahatratra Anao. Ianao marina tokoa Ilay Mpangoraka Indrindra, izay tsy manam-petra ny Fahasoavana. Tsy misy Andriamanitra hafa afa-tsy Ianao, Ilay mamela heloka mandrakariva, Ilay Mpiantra Indrindra.

-Bahá'u'lláh
-----------------------

TAKELA-PAHATSIAROVANA (#9400)

*Ity vavaka ity, nambaran’i ‘Abdu’l-Bahá, ity dia vakiana eo anoloan’ny Fasany. Vakiana koa ity amin’ny vavaky ny tena samirery. 
*Izay mamaky ity vavaka ity amin-kafanam-po sy am-panetren-tena dia mitondra fifaliana sy fahasambarana ao am-pon’ity Mpanompo ity (‘Abdu’l-Bahá); toy ny mihaona mifanatrika Aminy 

Izy Ilay tena be Voninahitra.
Ry Andriamanitra ô, Andriamanitro! Am-pahatsorana sy an-dranomaso, manandratra ny tanako mitalaho eny Aminao aho ary manafina ny tavako ao amin’ny vovoky ny Tokonanao izay ankalazaina ambonin’ny fahalalan’ny manam-pahaizana sy ny fideran’izay rehetra manome voninahitra Anao. Topazo ny maso feno fangorahana ny mpanomponao manetri-tena sy tsotra eo am-baravaranao, ary arobohy ao anatin’ny ranomasimben’ny Fahasoavanao mandrakizay.
Ry Tompo! Ity ny mpanomponao mahantra sy tsotra, mankatò sy mitalaho Aminao, babo eo an-tananao, mivavaka mafy Aminao, mahatoky Anao, vonton-dranomaso eo anoloan’ny Endrikao, miantso Anao sy mitaraina Aminao amin’izao teny izao: 
“Ry Tompo ô, Andriamanitro! Atolory ho ahy ny Fahasoavanao mba ahazoako manompo ny olontianao, amafiso aho amin’ny fanompoako Anao, hazavao ny endriko amin’ny fahazavan’ny fankalazana ao amin’ny Tokotanim-pahamasinanao sy avy amin’ny fahazavan’ny vavaka ao amin’ny Fanjakan’ny fahalehibeazana. Ampio aho tsy ho tia tena eo anoloan’ny tokonan’ny Fidirana ao an-danitrao ary tsy hiraikitra amin-javatra rehetra na inona na inona ao amin’ny Toerana Masinao.
Ry Tompo, ampisotroy amin’ny kapoakan’ny fandavan-tena aho, ampitafio ny fitafiany aho ary arobohy lalina ao amin’ny ranomasimbeny. Ataovy toy ny vovoka eny amin’ny lalan’ny Olo-malalanao aho ary aoka mba hanolotra ny fanahiko ho amin’ny tany feno fahamendrehana izay nodiavin’ny Olom-boafidinao eo amin’ny Lalanao, ry Tompon’ny Voninahitra avo indrindra”. 
Miantso Anao amin’ity vavaka ity, amin’ny mangirandratsy sy amin’ny alina ny mpanomponao. Tanteraho ny fanirian’ny fony, ry Tompo ô! Hazavao ny fony, ampifalio ny fanahiny, areheto ny fanaovanjirony, mba hanompoany ny Fototrao sy ny Mpanomponao.
Ianao Ilay Mpanome, Ilay Mpangoraka, Ilay Onena olona, Ilay Mpamindra fo, Ilay Be Indrafo, Ilay Mangoraka.

-`Abdu'l-Bahá
-----------------------

