MARAINA (#9322)

Nifoha aho izao maraina, nohon’ny Fahasoavanao, ry Andriamanitro ô, ary nandao ny akaniko amim-pahatokiana tanteraka Anao, ary manankina tanteraka ny tenako amin’ny Fikarakaranao. Arotsahy amiko, avy any an-danitrin’ny Famindra-ponao, ny tsodrano avy Aminao ary tahio aho hiverina soa aman-tsara any amin’ny fonenako toy izay namelanao ahy hiala teo ambanin’ny Fiarovanao, ny fisainako rehetra mifantoka mafy eny Aminao.
Tsy misy Andriamanitra hafa afa-tsy Ianao, Ilay Tokana, Ilay tsy Manan-tsahala, Ilay Mpahalala ny zavatra rehetra, Ilay Hendry Indrindra.

-Bahá'u'lláh
-----------------------

MARAINA (#9323)

Midera Anao aho, ry Andriamanitro ô, noho ny namohazanao ahy tamin’ny torimasoko sy namerenanao ahy taorian’ny tsy naha-teo ahy ary nitsanganako tamin’ny faharendremana. Nifoha maraina aho, ny endriko nitodika tany amin’ny famirapiratry ny Kintana Marainan’ny Fanambaranao izay nampahazava ny lanitry ny Herinao sy ny Voninahitrao, nihaiky ny Famantaranao, nino ny Bokinao ary niraiki-pitia fatratra tamin’ny Tadinao.
Mitalaho Aminao aho, amin’ny alalan’ny herin’ny Sitraponao sy ny fahefan’ny Fikasanao tsy hay toherina, aoka ny tsindrimandry izay nataonao tamiko nandritry ny torimasoko ho fototra tena marina ho an’ny fonenan’ny Fitiavanao, izay latsa-paka ao anatin’ny fon’ireo olon-tianao, ary koa ho fiasana tsara indrindra ho an’ny fanehoana ny porofon’ny Fahasoavanao sy ny Hatsaranao be fitiavana.
Aoka ho didianao, amin’ny alalan’ny Peninao ambony indrindra, Ry Tompoko ô, ny soan’izao tontolo izao sy ny any an-koatra. Milaza marina aho fa eo am-pelatananao no misy ny fanapahana ny zavatra rehetra. Manova azy ireo Ianao araka izay tianao. Tsy misy Andriamanitra hafa afa-tsy Ianao, Ilay Mahery, Ilay Tsy mivadika. 
Ianao araka ny fandaharanao no Ilay izay nanova ny fietrena ho voninahitra, ny fahosàna ho tanjaka, ny fahalemena ho hery, ny tahotra ho fahatoniana ary ny fisalasalana ho fahatokisana. Tsy misy Andriamanitra hafa afa-tsy Ianao, Ilay Mahery, Ilay Mahasoa.
Tsy mandiso fanantenana na iza na iza Ianao amin’ireo izay nikaroka Anao ary tsy nandà Ianao na iray aza tamin’ireo izay naniry Anao. Manapaha ho ahy izay mendrika ny Fangorahamponao sy ny ranomasimben’ny Indrafonao. Ianao marina tokoa, Ilay Mahery Indrindra, Ilay Manampahefana Indrindra.

-Bahá'u'lláh
-----------------------

MARAINA (#9324)

Nifoha tao anatin’ny Fialofanao aho, ry Andriamanitro ô, ary adidin’izay mitady izany Fialofana izany ny hitoetra ao amin’ny Fitoerana Masin’ny fiarovanao sy ao anatin’ny Mandam-piarovan’ny Fiambenanao. Hazavao ny ati-fanahiko, ry Tompoko ô, amin’ny Famirapiratry ny Fiposaky ny Andron’ny Fanambaranao toy izay nanazavanao ny vatako rehetra tamin’ny tana-masoandron’ny marainan’ny Fahasoavanao.

-Bahá'u'lláh
-----------------------

