HARIVA (#9325)

Ry Andriamanitro ô, Tompoko, Anton’ny faniriako! Ity ny mpanomponao izay maniry fatratra hatory eo amin’ny alokin’ny Famindramponao sy hiala sasatra eo ambanin’ny lanitry ny Fahasoavanao, miangavy fatratra ny Fitandremanao sy ny Fiarovanao.
Mihanta Aminao aho, ry Tompoko ô, amin’ny masonao izay tsy mba matory, hisakana ny masoko tsy hibanjina na inona na inona ankoatra Anao. Atanjaho àry ny herin’ny fahitany mba ahazoako manavaka ny Famantaranao ary mibanjina ny faravodilanitry ny Fanambaranao. Ianao Ilay izay nampihovitrovitra ny  hery tonga lafatra manoloana ny Fanambaran’ny  Fahefanao.
Tsy misy Andriamanitra hafa afa-tsy Ianao, Ilay Mahery Indrindra, Ilay tsy Refesi-mandidy, Ilay tsy Voafehy.

-Bahá'u'lláh
-----------------------

HARIVA (#9326)

Ataoko ahoana no hisafidy ny hatory, ry Andriamanitra, ry Andriamanitro ô, raha toa ny mason’ireo izay maniry Anao tonga saina nohon’ny fisarahana Aminao; ary ataoka ahoana no mba hiala sasatra, nefa ny fanahin’ireo izay tia Anao dia mangahiahy noho ny fanalavitana ny Fanatrehanao?
Ry Tompoko ô, napetrako ny fanahiko sy ny tenako manontolo eo amin’ny tanan-kavanan’ny Fanapahanao sy ny Fiarovanao; ampandriko eo amin’ny ondana ny lohako noho ny Fahefanao, ary hareniko izany noho ny Sitraponao sy ny Fahafinaretanao. Ianao marina tokoa Ilay Mpitahy, Ilay Mpiambina, Ilay Mahery indrindra, Ilay Manam-pahefana.
Noho ny fahefanao! Tsy miangavy aho, na matory na mifoha, afa-tsy izay Irinao. Mpanomponao aho ary eo am-pelatananao. Ampio amin-kalamem-panahy hanatanterahako izay tokony ho mety mba hanapariaka ny hanitry ny Sitraponao.
Izany marina tokoa no fanantenako sy fanantenan’ireo izay mankafy ny fanatonana Anao. Ankalazaina Ianao, ry Andrian’izao tontolo izao.

-Bahá'u'lláh
-----------------------

