FIRAISANKINA (#9356)

Ry Andriamanitro ô! Ry Andriamanitro ô! Ampiraiso ny fon’ny mpanomponao ary ambarao azy ireo ny Fikasanao lehibe. Aoka izy ireo mba hanaraka ny Didinao sy hankato ny Lalànao! Ampio izy ireo, ry Andriamanitro ô, amin’ny fihezahany ary tolory azy ny hery hanompoany Anao. Andriamanitra ô! Aza mandao azy ho irery, ary noho ny fahazavan’ny Fahalalanao tariho ny diany, ary noho ny Fitiavanao ampifalio ny fony. Marina tokoa, Ianao no Mpanampy azy ireo sy Tompony.

-Bahá'u'lláh
-----------------------

FIRAISANKINA (#9357)

Anao ny voninahitra, ry Andriamanitro ô, ary Anao ny laza, ry Tompoko ô!
Mangataka Aminao aho, noho ny Anaranao izay maneho ny Fahefanao sy ny Herinao, mba hanadio ny fitaratry ny fon’ny mpanomponao amin’ny loton’ny fisalasalana sy ny tsy fahazoana antoka, ary hitarika ny fanahy diso lalana eny amin’ny Fahazavanao, mba ahazoany mahafantatra ny Firaisanao sy anekeny ny maha-Iray Anao.
Ry Andriamanitro ô, tsy misy fialofana afa-tsy ao Aminao, ary tsy misy lalana hafa izay mankany amin’ny Fonenanao. Rehefa mianatra mahafantatra Anao ny vahoakanao, ry Andriamanitro ô, dia tsy hiala amin’ny lalanao izy. Ampio izy haharitra sy ho mahatoky, rehefa mankany Aminao, mba hahazoany ho tonga any amin’ny Fanjakanao ary hanantanteraka ny Sitraponao.
Ianao Ilay Tsitoha, Ilay Be Indrafo.

-Bahá'u'lláh
-----------------------

FIRAISANKINA (#9392)

Ry Andriamanitro ô! Ry Andriamanitro! Marina tokoa, miantso Anao aho sy mitalaho eo an-Tokonanao masina, mangataka Aminao mba hampidina ny Fahasoavanao rehetra amin’ireto fanahy ireto. Tendreo manokana izy ireo mba handray ny Fankasitrahanao sy ny Fahamarinanao.
Ry Tompo! Ampiraiso sy ampifamatory ireo fo, ampifanaraho ireo fanahy, ary ampiredaredao ireo fanahy avy amin’ireo marikin’ny Fahamasinanao sy ny maha’Iray Anao. Ry Tompo! Aoka ho miramirana ireo endrika ireo amin’ny fahazavan’ny Firaisanao. Atanjaho ny valahan’ireo mpanomponao amin’ny fanompoana ny Fanjakanao. 
Ry Tompo, Ianao Ilay Tompon’ny famindrampo tsy hita lany. Ry Tompon’ny famelan-keloka sy ny indrafo! Mamelà ny helokay sy ny fahadisoanay ary ataovy izay itodihanay eny amin’ny fanjakan’ny Famindramponao, miantso ny fanjakan’ny fahefana sy ny hery, manetry tena eo anatrehan’ny Fitoeranao masina ary mankatò eo anatrehan’ny voninahitry ny Fanamarinanao.
Ry Tompo Andriamanitra! Ataovy toy ny onjan-dranomasina izahay, toy ny voninkazon’ny zaridaina, miray sy mifanaraka noho ny hasoan’ny Fitiavanao.
Ry Tompo! Ampifalio ny fo noho ny famantarana ny maha-Iray Anao ary ataovy ho toy ny kintana samy mamiratra avy amin’ny tendron’ny voninahitra ny olon-drehetra, ho toy ny voankazo tonga lafatra mitombo eo amin’ny hazom-piainanao.
Marina tokoa, Ianao Ilay Tsitoha, Izay mampisy ny Tenany amin’ny alalan’ny Tenany, Ilay Mpanome, Ilay Mpamela heloka, Ilay Mpamindra fo, Ilay Mahalala ny zavatra rehetra, Ilay Mpamorona tokana.

-`Abdu'l-Bahá
-----------------------

