FIDERANA (#9327)

Ry Andriamanitro, Deraiko Indrindra, Mpanjakako, Faniriako! Amin’ny fiteny toy inona no ahafahanan’ny feoko maneho fisaorana Anao? Tsy manahy na inona na inona aho, dia nofohazinao. Nihodina taminao aho, dia nampianao tamim-kalemempanahy hitodika any Aminao. Toy ny efa maty aho, dia novelominao tamin’ny ranon’ny Fiainana. Mangozohozo aho, dia novelominao tamin’ny onja-danitrin’ny Teninao izay nitosaka avy amin’ny Penin’Ilay tena be Indrafo.
Ry Fitondran’ny Lanitra ô! Ny fisiana rehetra dia ateraky ny Hamoramponao; aza atao diso anjara amin’ny ranon’ny Fangorahamponao ary aza halavitina azy ny ranomasomben’ny Indrafonao. Mitalaho Aminao aho, mba hitahy ahy sy hanampy ahy amin’ny fotoana rehetra sy ny fepetra rehetra, ary mikatsaka amin’ny lanitry ny Fahasoavanao ny Tombotsonao fahagola aho. Marina tokoa fa Ianao Ilay Tompo feno Halemen-panahy sy Ilay Andrian’ny Fanjakan’ny mandrakizay.

-Bahá'u'lláh
-----------------------

FIDERANA (#9328)

Ny fiderana rehetra anie ho Anao, ry Andriamanitro ô, izay loharanon’ny voninahitra rehetra sy ny fiandrianana, ny fahalehibeazana sy ny haja, ny fanapahana sy ny fanjakana, ny fisandratana sy ny fahasoavana, ny fahagagana sy ny fahefana. Mitarika izay tianao Ianao ho any amin’ny Ranomasimbe Lehibe Indrindra, ary hanome ho an’izay tianao omena voninahitra hahafantatra ny Anaranao Fahagolantany. Amin’ireo rehetra izay any an-danitra sy eto an-tany, tsy misy na dia iray aza afaka hanohitra ny asan’ny Sitraponao feno fanapahana. Hatry ny fahagola nanapaka izay noforonina rehetra Ianao, ary hanohy mandrakizay ny fampiasana ny Fanapahanao amin’ny zavaboahary rehetra. Tsy misy Andriamanitra hafa afa-tsy Ianao, Ilay Mahery Indrindra, Ilay Ambony Indrindra, Ilay Manampahefana, Ilay Hendry tokoa.
Hazavao, ry Tompo, ny endriky ny mpanomponao mba ahazoany mibanjina Anao; ary diovy ny fony mba hitodihany any amin’ny lapan’ny Fahasoavan-danitrao ary miaiky Ilay Fanehoana Anao ihany sy ny Fiposaky ny Andron’ny maha-izy azy Anao. Marina tokoa fa Ianao Ilay Mpanjakan’izao tontolo izao. Tsy misy Andriamanitra hafa afa-tsy Ianao, Ilay Tsitoha, Ilay tsy refesi-mandidy.

-Bahá'u'lláh
-----------------------

FIDERANA (#9329)

Lazao: Voninahitra ho Anao izay nahatonga ny olona masina rehetra hiaiky ny fahalemeny eo anatrehan’ireo fanehoana ny Fahefanao marobe, ary ny tsirairay amin’ireo Mpaminany hahafantatra fa tsinontsinona izy eo anatrehan’ ny famirapiratan’ny Voninahitrao tsy manam-piovana.
Mitalaho Aminao aho, noho ny Anaranao izay nanokatra ireo varavaran’ny lanitra sy nampitafotafo ny hafalian’ireo mponina any an-danitra, mba hamela ahy ho mendrika ny hanompo Anao amin’izao andro izao ary mba hanomezanao ahy hery hanatanterahako ny fitsipikin’ny Bokinao.
Fantatrao, ry Tompoko o, izay ao amiko fa izay ao Aminao kosa dia tsy fantatro.
Ianao Ilay Mpahalala ny zavatra rehetra, Ilay Mahafantatra.

-Bahá'u'lláh
-----------------------

FIDERANA (#9330)

Ankalazaina anie ny Anaranao, ry Tompo Andriamanitro!  Ianao  Ilay ankalazain’ny zavatra rehetra ary tsy mankalaza na inona na inona, Ilay Tompon’ny zavatra rehetra ary tsy eo ambany fahefan’iza na iza, Ilay mahalala ny zavatra rehetra ary tsy fantatr’iza na iza.  Naniry hanao izay ahafantaran’ny olona Anao Ianao, noho izany, avy tamin’ny tenin’ny Vavanao iray, nampisy ny zava-boahary Ianao ary namolavola izao tontolo izao. Tsy misy Andriamanitra hafa afa-tsy Ianao, Ilay Mpamolavola, Ilay Mpamorona, Ilay Mahefa ny zavatra rehetra, Ilay Mahery indrindra.
Mitalaho Aminao aho, noho ilay teny izay namirapiratra teny amin’ny vodilanitrin’ny Sitraponao, mba hamela ahy hisotro ny halalin’ny ranon’aina izay namelombelona ny fon’ireo olom-boafidinao sy namelombelona ny fanahin’ireo izay tia Anao, mba ahazoako, na amin’ny fotoana inona na amin’ny fepetra inona, hampitodika ny endriko iray manontolo eny Aminao.
Ianao ilay Andriamanitrin’ny hery, ny voninahitra sy ny fahalala-tanana. Tsy misy Andriamanitra hafa afa-tsy Ianao, ilay Mpandahatra faratampony, Ilay Be voninahitra, Ilay Mahalala ny zavatra rehetra.

-Bahá'u'lláh
-----------------------

FIDERANA (#9331)

Deraina anie Ianao, ry Tompo Andriamanitro! Manolotra fisaorana ho Anao aho noho ny namelanao ahy hahafantatra ny Fanehoana ny Tenanao, sy noho ny nanavahanao ahy tamin’ireo fahavalonao; nampiharihary teo imasoko ny zava-dratsy ataony sy ny haratsim-panahiny amin’izao andronao izao, ary noho nanafahanao ahy tamin’ny firaikena  tamin’izy ireo ary nahatonga ahy hitodika tanteraka eny amin’ny Fahasoavanao sy ny Famindramponao. Misaotra Anao ihany koa aho noho ny nampidinanao teo amiko, avy amin’ny rahon’ny Sitraponao, izay nanamasina ahy ho voaaro tamin’ny filazan’ireo tsy mahatoky sy ny tondromolotr’ireo tsy mpino ka nampiorina mafy ny foko Taminao sy nampandositra ahy lavitra an’ireo izay nandà ny hahafantatra ny fahazavan’ny Tavanao. Mbola misaotra Anao aho noho ny nanomezanao hery ho mafy orina eo amin’ny fitiavanao, hanambara ny fiderana Anao sy hanandratra ny Hatsaranao, ary noho ny nampisotroanao ahy tamin’ny kapoaka ny Famindramponao izay mihoatra ireo zavatra rehetra hita sy tsy hita maso.
Ianao Ilay Mahery indrindra, Ilay Ambony indrindra, Ilay  Be-voninahitra indrindra sy Ilay Be-fitiavana indrindra.

-Bahá'u'lláh
-----------------------

FIDERANA (#9313)

Deraina anie ny Anaranao, ry Andriamanitra. Ianao marina tokoa no Tomponay. Hainao avokoa izay rehetra ao an-danitra sy eto an-tany. Koa noho izany, ampidino aminay ny mariky ny Famindramponao. Marina tokoa, mihoatra ireo rehetra be famindram-po Ianao. Ny dera anie ho Anao, ry Tompo. Didio ho anay eo anatrehanao izay hampafana ny fon’ireo marina eo amin’ireo mpanomponao. Ankalazaina ny lanitra sy ny tany sy ireo rehetra eo anelanelan’izy ireo. Ianao Ilay Tompo Andriamanitra, Tena Masina, Tsitoha, Tena Hendry. Deraina anie ny Anaranao, ry Andriamanitro, eo amin’ny Fanatrehanao, omeo ho an’ireo izay mino an’Andriamanitra sy ny famantarana Azy, ny fanampiana mahery izay hahazoany mifanandrina amin’ny olona rehetra

-The Báb
-----------------------

FIDERANA (#9314)

Deraina sy omem-boninahitra anie Ianao, ry Andriamanitra! Aoka ho avy haingana ny andro izay anatratrarana ny fanatrehanao masina. Ampifalio ny fonay amin’ny herin’ny Fitiavanao sy ny  Sitraponao tsara ary omeo anay ny fahamatorana mba hahafahanay manaiky  an-tsitrapo ny Sitraponao sy ny Didinao. Marina tokoa, ny Fahalalanao dia mandrakotra ny zavatra noharianao sy  hoharianao rehetra ary ny Fahefan-danitrao dia mihoatra noho ny an’izay  nantsoinao sy izay hantsoinao ho amin’ny fisiana. Tsy misy ho tompoina afa-tsy Ianao, tsy misy hiriana afa-tsy Ianao, tsy misy ho deraina afa-tsy Ianao ary tsy misy  ho tiavina afa-tsy ny Sitraponao tsara.
Marina tokoa, Ianao Ilay Mpanapaka ambony indrindra, Ilay Fahamarinana ambony indrindra, Ilay Mpamonjy  amin’ny loza, Ilay Mampisy ny tenany amin’ny alalan’ny tenany.

-The Báb
-----------------------

FIDERANA (#9371)

Amin’ny Anaran’Andriamanitra, Ilay Avo indrindra! Deraina sy omem-boninahitra Ianao, ry Tompo, Andriamanitra mahefa ny zava-drehetra! Ianao izay, eo anatrehan’ny Fahendrenao, ny hendry dia niondrika sy tsy nahomby; eo anatrehan’ny Fahalalanao, niaiky ny tsy fahalalany ny olona manam-pahaizana;  eo anatrehan’ny Herinao, manjary osa ny matanjaka; eo anatrehan’ny Harenao, manamarina ny fahantrany ny mpanankarena; eo anatrehan’ny Fahazavanao, very ao anaty haizina ny olona mazava, eny amin’ny taberinakelin’ny Fahalalanao no mitodika ny fototry ny fahafantarana rehetra ary mihodidina ny toerana masin’ny Fanatrehanao ny fanahin’ny olombelona rehetra.
Ataoko ahoana no iderako sy  anambarako ny Foto-pisinao izay tsy takatry ny fahendren’ny hendry na ny fahaizan’ny manam-pahaizana – toy ny tsy isian’ny olona na iza na iza afaka hidera izay tsy fantany na hitantara izay tsy takany -nefa Ianao, hatrizay hatrizay dia Ilay Tsy tratra, Ilay tsy takatrin’ny saina. 
Tsy manankery aho hisondrotra hatrany amin’ny lanitrin’ny Voninahitrao sy hanidina any amin’ny fanjakan’ny Fahalalanao, ny hany afaka tantaraiko dia ny Famantaranao izay manambara ny Asa-tananao be voninahitra.
Noho ny Voninahitrao, ry Malalan’ny fo rehetra ô! Ianao irery ihany no afaka mampitony ny fanaintainan’izay maniry Anao. Na hiray hina aza ny mponina rehetra any an-danitra sy ety an-tany mba hanome voninahitra ny kely indrindra amin’ny Famantaranao noho ny nanehoanao ny Tenanao, dia tsy nahomby izy ireo, mainka fa hidera ny Teninao masina, ilay mpamorona ireo Famantaranao rehetra.
Ho Anao ny dera sy ny voninahitra rehetra, Ianao izay nanamarinan’ny zava-drehetra fa Iray Ianao ary tsy misy Andriamanitra hafa afa-tsy Ianao izay hatrizay  dia nasandratra ambonin’ny fitoviana sy tsy fihavahana ary hijanona ho toa izany mandrakizay. Ny mpanjaka rehetra dia tsy inona fa mpanomponao ary ny fisiana rehetra, na ny hita na ny tsy hita dia tsinontsinona eo anatrehanao.
Tsy misy Andriamanitra hafa afa-tsy Ianao, Ilay Be indrafo, Ilay Mahery indrindra, Ilay Avo indrindra.

-`Abdu'l-Bahá
-----------------------

