FIAROVANA (#9345)

Deraina Ianao, ry Andriamanitro ô! Ianao Ilay, tamin’ny teny indraim-bava monja, nampisafotofoto ny zavaboahary rehetra ary, tamin’ny tsipikin’ny penina iray, nampisaraka ny mpanomponao teo amin’izy ireo avy. Vavolombelona aho, ry Andriamanitro ô, fa amin’ity Fanambarana ity, amin’ny teny indraim-bava avy Aminao, ny zavaboahary rehetra nohariana dia natokana ho simba, ary amin’ny teny indraim-bava iray hafa, izay rehetra nofidianao, noho ny Fahasoavanao sy ny Fangorahanao, dia nahazo fiainam-baovao.
Noho izany, misaotra Anao aho, ary midera Anao amin’ny anaran’ireo olona maminao, noho ny namelomanao azy ireo indray tamin’ny herin’ny rano mamelombelona izay niboiboika avy tamin’ny loharanon’ny Sitraponao. Satria novelominao izy ireo, noho ny hatsaran-toetranao lehibe, aoka izy ireo noho ny Hatsaram-panahinao, ry Andriamanitro ô, ho voatarika noho ny Sitraponao, ary satria navelanao izy ireo hiditra ao amin’ny taberinakelin’ny Fototrao, aoka izy ireo, noho ny Fahasoavanao, mba tsy hitoetra lavitra Anao.
Sokafy ao am-pony àry, ry Andriamanitro ô, ny varavaran’ny Fahalalanao mba hanekeny Anao ho Ilay saro-takarina sy tsy takatry ny fahalalan’ny zavaboahary, Ilay izay tena avo tokoa mihoatra ny ezakin’ny mponina hahita ny toetranao, ary mba tsy hanarahany ireo mpisoloky be tabataba rehetra izay mihevi-tena fa miteny amin’ny Anaranao.
Aoka izy ireo, ry Tompoko ô, ho afaka hifikitra am-pikirizana fatratra amin’ny Fototrao, mba tsy ho taitra manoloana ireo fanaratsiana an-kolaka izay mampikorontana ataon’ireo, izay entin’ny fanirian’ny tenany manokana, manonona izay nandraràna azy ireo tao amin’ny Takelakao sy ny Soratrao.
Fantatrao, ry Andriamanitro ô, fa mahare ny vovoan’ny amboadia aho izay miseho amin’ny fitafian’ny mpanomponao. Arovy àry ny olon-tianao amin’ny asa ratsin’izy ireo ary ataovy izay hifikirany fatratra amin’izay nasehonao ao amin’ity Fanambarana ity, izay tsy misy na dia iray aza afaka nihoatra izany noho ny Fahalalanao avy any an-danitra.
Atokany ho azy ireo, ry Andriamanitro ô, izay mety hahasoa azy. Hazavao izy amin’ny fahazavan’ny Fahalalanao mba ahazoany mahita miavaka tsara ny Fahambonianao eo amin’ny zavatra rehetra, ny Famirapiratrao eo amin’ireo voaharinao sy ny Fandresenao eo amin’ireo rehetra any an-danitra sy ety an-tany. Manam-pahefana hanao izay sitrakao Ianao. Tsy misy Andriamanitra hafa afa-tsy Ianao, Ilay tena be Voninahitra izay italahoan’ ny olon-drehetra famonjena.
Deraina anie Ianao, ô Ianao Ilay Tompon’ny Fahariana rehetra.

-Bahá'u'lláh
-----------------------

FIAROVANA (#9346)

Fo mangatsiaka firifiry, ry Andriamanitro, no niredareda tamin’ny afon’ny Fototrao ary fanahy sondriana firifiry no nifoha tamin’ny antso malefakin’ny Feonao! Marobe ireo vao tonga izay nitady fialofana eo amin’ny aloky ny Firaisanao ary ireo mangetaheta izay naniry, amin’ity andro ity, izay Andronao, ny loharanon’ny Ranonao mamelombelona!
Voatahy izay nitodika tany Aminao sy nihazakazaka hanatratra ny Kintana Marainan’ny fahazavan’ny Endrikao. Voatahy izay nampitodika ny firaiketam-pony eny amin’ny Somambisambin’ny Fanambaranao sy ny Loharanon’ny Tsindrimandrinao. Voatahy izay nandany teo amin’ny Lalanao izay natolotrao azy noho ny Fanomezanao sy ny Famindramponao. Voatahy izay nandà izay rehetra tsy Ianao, tao anatin’ny faniriana maharary hiantoraka Aminao. Voatahy izay nanana fiombonam-po lalina Taminao ka namaha ny fatorana rehetra na amin’inona na amin’inona, afatsy Aminao.
Mitalaho Aminao aho, ry Andriamanitro ô, noho Ilay izay Anaranao sy Ilay izay nisondrotra eny ambonin’ny vodilanitry ny tranomaiziny, noho ny herin’ny Fiandriananao sy ny Fahefanao, mba handidy ho an’ny tsirairay ny zavatra izay mendrika ny Fahalehibiazanao.
Marina tokoa, ny Herinao dia mitovy amin’ny zavatra rehetra.

-Bahá'u'lláh
-----------------------

FIAROVANA (#9347)

Deraina Ianao, ry Tompo Andriamanitro ô! Ity ny mpanomponao izay nisotro avy tamin’ny tanam-pitiavanao ny divain’ny Famindramponao ary nanandrana ny tsiron’ny Fitiavanao ao amin’ireo Andronao. Mitalaho Aminao aho, noho ny fanehoana ny Anaranao, izay tsy misy alahelo afaka misakana ny fifaliana ao amin’ny fitiavanao na ny fandinihana ny Endrikao, ary izay tsy misy tompon’ny fiahiahiana hanan-kery hampiodina amin’ny lalan’ny Fahafinaretanao, mba hitalaho aminy ny harena tsara izay anananao ary hanandratra Azy amin’ny toerana ambony ka hijereny izao tontolo izao ho toy ny aloka izay hanjavona haingana kokoa noho ny indray mipi-maso.
Arovy ihany koa izy, ry Andriamanitro ô, noho ny  fahefan’ny Fiandriananao tsy hita lany, amin’ireo rehetra izay ankahalainao. Ianao, marina tokoa, no Tompony sy Tompon’izao tontolo izao.

-Bahá'u'lláh
-----------------------

FIAROVANA (#9348)

Tariho, Andriamanitra, ireo mpanomponao hatrany androvan’ny Fahasoavanao sy ny Fitiavanao ary aoka tsy ho diso anjara amin’ireo zava-mahagagan’ny Fitiavanao sy ny habetsahan’ny tsodranonao.
Satria tsy fantatr’izy ireo izay atokan’ny Famindramponao manerana ny fahariana rehetra. Izy ireo, ry Tompo, dia malemy sy tsy manan-kery raha jerena ivelany, ary ao anaty dia olo-mahantra ihany koa. Ianao ilay Tena tsara, ilay Be Fitiavana, Tena Mendrika, Tena Lehibe. Aza mampihatra amin’izy ireo, ry Andriamanitro, ny hamafin’ny fahatezeranao, sakano izy ireo amin’ny lalan’ny ratsy ambara-pisehoan’ireo zava-mahagagan’ny Indrafonao mba ho afaka hiverina Aminao sy hangataka famelana ireo fahadisoana izay vitany taminao. Satria ianao marina tokoa, ilay Malemy Fanahy, ilay Tena be indrafo.

-Bahá'u'lláh
-----------------------

FIAROVANA (#9380)

Ry Tompoko ô! Fantatrao fa voahodidin’ny fijaliana sy ny lozabe ny olombelona, ao anaty zava-tsarotra sy  fikorontanana. Ny fitsapana rehetra dia samy mamely ny olona ary ny fahoriana mahamay rehetra dia manafika azy toy ny fanafihan’ny menarana. Tsy misy fialofana sy fierena ho azy afa-tsy eo ambany elatry ny Fiarovanao, ny Fiahianao, ny Fiambenanao sy ny Fikarakaranao.
O Ianao Ilay Be indrafo! Ry Tompoko ô! Aoka ny Fiarovanao ho fiarovan-tenako, ny Fiahianao ho ampingako, ny fanetren-tenako eo anatrehan’ny varavaran’ny Maha iray Anao ho fiarovako, ary ny Fikarakaranao sy ny Fiarovanao ho mandako sy fonenako. Arovy amin’ny fitiavan-tena sy ny faniriana aho ary ambeno amin’ny aretina, ny fitsapàna, ny fahasahiranana sy ny fahoriana rehetra.
Ianao, marina tokoa, Ilay Mpiaro, Ilay Mpiambina, Ilay Mpiahy, Ilay ampy tokoa, ary Ianao marina tokoa Ilay Mpamindra fo amin’izay Be Indrafo Indrindra.

-`Abdu'l-Bahá
-----------------------

FIAROVANA (#9381)

Ry Andriamanitra Mpangoraka! Fisaorana no atolotra Anao, satria nanaitra sy nampahatsiaro tena ahy Ianao. Nomenao maso mahiratra aho sy sofina malady. Notarihinao amin’ny Lalanao aho ary notantananao ho eny amin’ny Fanjakanao. Nampisehoanao ahy ny lalana mahitsy ary nampidirinao ao amin’ny Sambo Fiaran’ny Famonjena aho.
Ry Andriamanitra o! Ataovy izay haharetako, sy hahamafy orina ahy sy hanolorako tena. Arovy amin’ny fitsapana mahamay aho, ary arovy sy alofy aho ao amin’ny manda voaaro mafin’ny Fanekenao sy ny Testamentanao. Ianao Ilay Mahery, Ianao Ilay mahita. Ianao Ilay mandre.
O Ianao Andriamanitra mpangoraka! Omeo fo, toy ny kristaly, aho izay mety hohazavaina amin’ny fahazavan’ny Fitiavanao ary omeo fisainana izay afaka manova ity tontolo ity ho zaridainan-draozy avy amin’ny  firotsahan’ny fahasoavan’ny lanitra.
Ianao Ilay Mpangoraka, Ilay Be Indrafo. Ianao Ilay Andriamanitra lehibe mpanome soa.

-`Abdu'l-Bahá
-----------------------

