FANGATAHAM-PAHASITRANANA (#9341)

Ny Anaranao no fahasitranako, ry Andriamanitro ô, ary ny fahatsiarovana anao no fanafodiko. Ny eo akaikinao no fanantenako, ary ny fitiavako Anao no namana tsy mahasaraka ahy. Ny famindramponao amiko no fahasitranako sy fiankinako amin’ity tontolo ity sy any amin’ny tontolo ho avy. Ianao, marina tokoa, Ilay be Famindrampo indrindra, Ilay Mpahalala ny zavatra rehetra, Ilay Hendry indrindra.

-Bahá'u'lláh
-----------------------

FANGATAHAM-PAHASITRANANA (#9342)

Ry Andriamanitra ô, ry Andriamanitro! Mangataka Aminao aho, noho ny ranomasimben’ny Fanasitrananao, noho ny famirapiratry ny Kintana Marainan’ny Fahasoavanao, noho ny Anaranao izay mandresy lahatra ny mpanomponao, noho ny hery mahasinton’ny Teninao be Voninahitra indrindra, noho ny herin’ny Peninao mendrikaja indrindra, ary noho ny Famindramponao izay nialoha ny fahariana ireo izay any an-danitra sy ety an-tany, mba hanadio ahy amin’ny ranon’ny Hamoramponao amin’ny fahoriana sy ny fikorontanana rehetra, ny fahalemena sy ny fahosana rehetra.
Hitanao, ry Tompoko ô, ny mpitalaho Aminao miandry  eo am-baravaran’ny Famindramponao, izay nametraka ireo fanantenany Taminao mifikitra amin’ny tadim-pangorahanao.  Mitalaho Aminao aho, aza lavina ho azy  izay iangaviany amin’ny Ranomasimben’ny Fahasoavanao sy ny Kintana Marainan’ny Halemem-panahinao feno fitiavana.
Manam-pahefana hanao izay sitrakao Ianao. Tsy misy Andriamanitra hafa afa-tsy Ianao, Ilay mamela heloka mandrakariva, Ilay Onena olona Indrindra.

-Bahá'u'lláh
-----------------------

FANGATAHAM-PAHASITRANANA (#9343)

Ianao, ry Andriamanitro ô, no Ilay izay ny Anarany no mitondra fahasitranana ho an’ny marary, fahatomombanana ho an’ny kilemaina,  rano fisotro ho an’ireo mangetaheta, fahatoniana ho an’ny ory, fitarihana ho an’ny diso lalana, fisandratana ho an’izay ambaniana, harena ho an’ny mahantra, fahazavana ho an’ny tsy ampy fahalalana, hazavana ho an’ireo kivy, hafanana ho an’ny mangatsiaka ary fisandratana ho an’ny ampahoriana. Noho ny Anaranao, ry Andriamanitro ô, taitra ny zavaboahary rehetra, nisokatra ny lanitra, nohariana ny tany, nasandratra ny rahona ary natao hitondra orana amin’ny tany. Izany marina tokoa no antoky ny Fahasoavanao amin’ireo voaharinao rehetra.
Izany no hitalahoako Aminao, noho ny Anaranao, izay nampisehoanao ny maha-Andriamanitra Anao sy nanandratanao ny Fototrao ambonin’ny zava-boahary rehetra, ary noho ny Anaram-boninahitrao tsirairay tsara indrindra sy ny Toetranao mendrika indrindra, ary noho ny Hatsaram-panahy rehetra izay hanandratana ny maha-Andriamanitra ambony sy avo indrindra Anao, mba hampidina amin’izao alina izao, avy amin’ny rahon’ny Famindramponao ny ranonoram-panasitrananao, amin’ity zazakely ity, izay nampifandraisinao tamin’ny Tenanao be voninahitra, ao amin’ny fanjakan’ny Voarinao. Noho ny Famindramponao, ry Andriamanitro ô, tafio ny akanjom-pahasalamana sy ny fahasitranana izy, ary arovy izy, ry Malalako ô, amin’ny fahoriana sy ny fikorontanana rehetra ary amin’izay rehetra tsy ankasitrahanao. Ny Fahefanao, marina tokoa, dia mitovy amin’ny zavatra rehetra.
Ianao marina tokoa Ilay Tsitoha, Ilay Mampisy ny Tenany amin’ny alalan’ny Tenany. 
Omeo azy an-koatra izany, ry Andriamanitro ô, ny tsara amin’ity tany ity sy ny any ankoatra ary ny soa an’ny taranaka taloha sy ho avy. Ny Herinao sy ny Fahendrenao, marina tokoa, dia ahafahanao manatanteraka izany.

-Bahá'u'lláh
-----------------------

FANGATAHAM-PAHASITRANANA (#9344)

Ankalazaina Ianao, ry Tompo Andriamanitro ô! Mitalaho Aminao aho, noho ny Anaranao Lehibe Indrindra izay namelombelona ny mpanomponao sy nanangana ny tanànanao, noho ny Anaram-boninahitrao tsara indrindra sy ireo fiantsoana Anao Mendrika Indrindra, mba hanampy ny vahoakanao hampitodika ny lalany eny amin’ireo fahasoavanao tsy tambo isaina, hampitràka ny endriny eny amin’ny tabernakelin’ny Fahendrenao. Sitrano ny aretina izay mamely ny fanahy hatraiza hatraiza sy nisakana azy hampihodina ny fijeriny any amin’ny Paradisa miorina eo amin’ny aloky ny Anaranao Mpiaro izay nodidinao ho Mpanjakan’ny Anarana rehetra ho an’ny mponina any an-danitra sy ety an-tany. Manam-pahefana hanao izay sitrakao Ianao. Eo am-pelatananao no misy ny fanapahan’ny anarana rehetra. Tsy misy Andriamanitra hafa afa-tsy Ianao, Ilay Mahery, Ilay Hendry.
Voahary mahantra aho, ry Tompoko ô; mifikitra amin’ny moron’ny harenao aho. Marary mafy aho ary mifikitra mafy tokoa amin’ny rohim-panasitrananao. Noho ny Famelanao heloka sy ny Fangorahanao, esory amin’ny fangirifiriana izay mamatotra ahy aho, diovy tanteraka amin’ny ranom-Pahasoavanao sy ny famindramponao ary tafio ny akanjom-pahasitranana. Ampifantohy Aminao ny masoko ary aza avela hanana firaiketana amin’izay tsy Ianao aho. Ampio aho hankato izay fanirianao sy hanatontosa izay sitrakao.
Marina tokoa fa Ianao Ilay Tompon’izao fiainana izao sy ny fiainana ho avy. Ianao marina tokoa Ilay Mamela heloka mandrakariva, Ilay be indrafo.

-Bahá'u'lláh
-----------------------

