FANAMPIANA (#9353)

Esory ny fahasahiranako noho ny Halemem-panahinao sy ny Fangorahanao, ry Andriamanitra, Andriamanitro ô, ary foany ny famoizam-poko noho ny Fiandriananao sy ny Herinao. Hitanao aho, ry Andriamanitro ô! Ny endrika mibanjina Anao, amin’ny fotoana izay ihodidinan’ny alahelo ahy. Mitalaho Aminao aho, ô Ianao Ilay Tompon’ny Voahary rehetra sy mpanome alokaloka ny zavatra rehetra na ny hita na ny tsy hita, noho ny Anaranao izay nambabo ny fo sy ny fanahin’ny olon-drehetra, ary noho ny halalin’ny ranomasimben’ny Famindramponao sy ny famirapiratry ny Kintana Marainan’ny Halemem-panahinao, mba hanokana ahy ho isan’ireo izay tsy voasakan’inona na inona hanandratra ny endriny eny Aminao, ry Tompon’ny Anarana rehetra ô  sy Mpamorona ny Lanitra rehetra.
Hitanao, ry Tompo ô, izay nihatra tamiko amin’izao Andronao izao. Mitalaho Aminao aho, noho Ilay Fiposahan’ny andron’ny Anaranao sy ny Toeram-pisehoan’ny Hatsaranao, mba handidy ho ahy izay ahazoana mitsangana hanompo Anao sy hanandratra ny Hatsaranao. Ianao, marina tokoa, Ilay Mahery Indrindra, Ilay Manampahefana Indrindra izay mamaly ny vavaky ny olon-drehetra.
Ary farany, mangataka Aminao aho, noho ny fahazavan’ny Endrikao mba hitahy ny asa aman-draharahako, hanafaka ny trosako ary ahafa-po ny filàko. Ianao Ilay namarinin’ny lela rehetra ny Fahefany sy ny Fanapahany, ary neken’ny fo mahatakatra rehetra ny Fiandrianany. Tsy misy Andriamanitra hafa afa-tsy Ianao, Ilay mandre sy vonona hamaly.

-Bahá'u'lláh
-----------------------

FANAMPIANA (#9354)

O Ianao, Izay ny Endrikao no fototry ny fiderako, ny Hatsaran-tarehinao no fialofako masina, ny Fonenanao no tanjoko, ary ny Fiderana anao no fanantenako, ny Fitahianao no mpiaradia amiko, ny Fitiavanao no antom-pisiako, ny Fanononana Anao no fampionononana ahy, ny Fanakaikezanao no faniriako, ny Fanatrehanao no faniriana mamiko indrindra  sy fientanampoko ambony indrindra, miangavy Anao aho, mba tsy ho lavinao ho ahy izay nodidianao ho an’ny olom-boafidinao tamin’ireo mpanomponao. Vatsio aho  amin’ny harenan’ity tany ity sy ny any an-koatra.
Ianao, marina tokoa no Ilay Mpanjakan’ny olon-drehetra. Tsy misy Andriamanitra hafa afa-tsy Ianao, Ilay mamela heloka mandrakariva, Ilay Be Fiantra.

-Bahá'u'lláh
-----------------------

FANAMPIANA (#9382)

Aza esorina, ry Tompo ô, ny latabatrin’ny fanasana izay novelarina tamin’ny Anaranao ary aza vonoina ny lelafo mivaivay izay narehitra tamin’ny Afonao tsy mety maty. Aza sakanana tsy hikoriana ity ranon’aina avy Aminao ity, izay mibitsibitsika ny antsan’ny Voninahitrao sy ny Fahatsiarovanao, ary aza atao ho diso anjara amin’ny hanitra mamerovero izay nivoaka avy tamin’ny hanitrin’ny Fitiavanao ny mpanomponao.
Ry Tompo! Ovay ho fiadanana ny ahiahy mampahorin’ ny mpanomponao masina, ho fahasambarana ny zava-tsarotra manjo azy ireo, ho voninahitra ny fanetre-tenany ary ho fifaliana lebibe ny alahelony, ô Ianao izay mitana eo am-Pelatananao ny fanapahana ny olombelona rehetra.
Marina tokoa, Ianao Ilay Andriamanitra Tokana, Ilay tsy manam-paharoa, Ilay Mahery, Ilay Mpahalala ny zavatra rehetra, Ilay Hendry tokoa.

-`Abdu'l-Bahá
-----------------------

FANAMPIANA (#9383)

Ry Tompo! Mahonena izahay, omeo ny Fahasoavanao; mahantra izahay, tolory anjara amin’ny ranomasimben’ny Harenao; sahirana izahay, omeo fahafaham-po; manetry tena izahay, omeo anay ny Voninahitrao. Ny vorona eny an-danitra sy ny bibidia eny an-tsaha dia mandray ny sakafony isan’andro avy Aminao ary ny manan’aina rehetra dia mandray ny Fikarakaranao sy ny Fitiavanao lehibe. 
Aza manaisotra amin’ity osa ity ny Fahasoavanao mahagaga, ary noho ny Fahefanao, omeo ity fanahy tsisy manampy ity ny Fahasoavanao.
Omeo anay ny haninay isan’andro, ampitomboy ny Fahasoavanao amin’izay ilaina eo amin’ny fiainana, mba hahatonga anay tsy hiankina na amin’iza na amin’izao afatsy Ianao, sy hifandray tanteraka Aminao, sy handeha eo amin’ny Lalanao sy hanambara ny Misiterinao.
Ianao Ilay Tsitoha, Ilay Andriamanitra fitiavana, Ilay Mpiahy ny olombelona rehetra.

-`Abdu'l-Bahá
-----------------------

FANAMPIANA (#9384)

Izy Ilay Mpangoraka! Ilay Malemy fanahy Indrindra!
Ry Andriamanitro ô! Andriamanitro! Hitanao aho, fantatrao aho, Ianao no Fitodiako sy Fialofako. Tsy nisy notadiaviko sy hotadiaviko hafa afatsy Ianao; tsy nisy lalana hafa nodiaviko na hodiaviko afatsy ny lalan’ny Fitiavanao.
Tao anatin’ny alina maizin’ny fahadisoam-panantenana, nitodika ny masoko, eo am-piandrasana sy am-panantenana, any amin’ny marainan’ny Fitiavanao tsy manam-petra, ary raha vao mangirandratsy, ny fanahiko sasatra dia novelombelomina sy nahazo hery tamin’ny fahatsiarovana ny Fahatanterahanao sy ny Hatsaranao. Ireo izay nampiana tamin’ny Fahasoavanao sy ny Famindramponao, na dia toy ny rano indray mitete aza, dia ho tonga ranomasimbe tsy manam-petra ary ny ataoma faran’izay bitika indrindra aza, izay nampian’ny tosaky ny Fitiavanao, dia hamirapiratra toy ny kintana manjelanjelatra.
O Ianao Ilay Fanahin’ny fahadiovana, Ianao Ilay Mpanome, Ilay Be fangorahana, alofy eo ambany Fiarovanao ny mpanomponao mafàna fo sy mankatò. Ampio izy eto amin’ity tanim-pahavelomana ity, hitoetra mafy sy matotra amin’ny Fitiavanao, ary avelao ity vorona tapak’elatra ity mba hahita fialofana sy fierena ao amin’ny Ankanin-danitrao mitoetra eo amin’ny hazon’ny lanitra.

-`Abdu'l-Bahá
-----------------------

FANAMPIANA (#9385)

Ry Tompo ô, Andriamanitro sy fiereko ao anaty ny fijaliako. Ampingako sy fialofako ao anaty ny fahoriana! Fiarovako sy fisitrihako ao anaty ny fotoan-tsarotra ary Mpiaradia amiko amin’ny fitokanako! Fiononako amin’ny fanahiako ary Sakaizako feno fitiavana ao amin’ny fanireriko! Ilay Mpanamaivana ny fanaintainan’ny alaheloko sy Mpamela ny fahotako!
Mitodika tanteraka Aminao aho, mitalaho fatratra Aminao, amin’ny foko manontolo, ny fanahiko sy ny lelako, mba hiaro ahy amin’izay rehetra mifanohitra amin’ny Sitraponao, amin’izao tsingerin’ny Maha-Iray Anao izao, ary mba hanadio ahy amin’ny loto rehetra izay mety hisakana ahy hitady, amin’ny fo madio tsy misy pentina, ny aloky ny hazon’ny Fahasoavanao.
Hiantrao ny osa, ry Tompo o, sitrano ny marary ary toneo ny hetaheta mivaivay. 
Ampifalio ny tratra izay mikotrika ny afon’ny Fitiavanao ary ampireheto izy amin’ny lelafon’ny Fitiavana sy ny fanahin-danitrao.
Tafio amin’ny akajom-pahamasinanao ny taberinakelin’ny Maha-Iray Anao ary apetraho eo amin’ny lohako ny satroboninahitry ny Fahasoavanao.
Hampamirapirato ny tarehiko amin’ny famirapiratrin’ny kintan’ny Hatsaranao, ary amin-katsaram-panahy, ampio aho hanompo eo an-Tokonanao masina. 
Aoka ny foko ho tondraky ny fitiavana an’ireo Voaharinao ary aoka aho ho tonga famantarana ny Famindramponao, tandindon’ ny Fahasoavanao, mpitondra fihavanana eo amin’ireo Olon-tianao, hanokan-tena ho Anao, hanonona ny Fahatsiarovanao ary hanadino ny tenako fa kosa hitandrina mandrakariva izay Anao. 
Ry Andriamanitra, Andriamanitro! Aza avela ho lavitry ny tsio-drivotra malefaky ny Famelanao sy ny Fahasoavanao aho ary aza manaisotra amiko ny loharanon’ny Fanampianao sy ny Fahasoavanao.
Eo ambany elatry ny Fiarovanao, aoka ho ankaniko ary atidiho amiko ny topimaso ny Fanaraha-masonao. 
Vahao ny lelako mba hiderako ny Anaranao eo anivon’ny Vahoakanao, mba hisandratra ny feoko ao amin’ny fivoriambe ary mba hivoaka avy amin’ny molotro ny tosaky ny fiderana Anao.
Ianao, marina tokoa, Ilay Be fitiavana, Ilay Omem-boninahitra, Ilay Mahery, Ilay Mahefa ny zavatra rehetra.

-`Abdu'l-Bahá
-----------------------

