FAMPIANARANA (#9355)

Ry Andriamanitro ô! Ianao Ilay Mpamorona ny Fanehoana rehetra, Loharanon’ny loharano rehetra, Fiandohan’ny Fanambarana rehetra sy Lohataonan’ny Fahazavana rehetra! Vavolombelona aho, fa noho ny Anaranao, ny lanitry ny fahatakarana dia noravahana, ny ranomasimben’ny fanambarana dia nisamboaravoara, ary ny fotoanan’ny Fitahianao dia nambara ampahibemaso tamin’ireo mpanara-dian’ny Finoana rehetra.
Mitalaho Aminao aho mba hampanan-karena ahy ka afaka hiala amin’ny zava-drehetra afatsy Ianao, ary tsy hiankina na amin’iza na iza afa-tsy Aminao ihany. Arotsahy amiko, noho izany, avy amin’ny rahon’ny Fanomezanao, izay mahasoa ahy ao amin’ny tontolo rehetran’ny Tontolonao. Ampio aho, noho izany, avy amin’ny Fahasoavanao mampatanjaka, mba hanompo tsara tokoa ny Fototrao eo afovoan’ireo mpanomponao, ahazoako maneho izay hahatonga ahy hotsarovana  arakaraka ny faharetan’ny Fanjakanao sy ny Fiandriananao.
Ity ny mpanomponao, ry Tompoko ô, izay nampitodika ny tenany manontolo teny amin’ny faravodilanitry ny Fanomezanao, sy ny ranomasim-ben’ny Fahasoavanao, ary ny lanitry ny Fanomezanao. Ataovy amiko izay mifanentana amin’ny Fiandriananao, sy ny Voninahitrao, ary ny Fangorahanao sy ny Fahasoavanao.
Ianao, marina tokoa, Ilay Andriamanitry ny Tanjaka sy ny Fahefana, izay vonona hamaly ireo izay mivavaka Aminy. Tsy misy Andriamanitra hafa afa-tsy Ianao, Ilay Mpahalala ny zavatra rehetra, Ilay Hendry indrindra.

-Bahá'u'lláh
-----------------------

FAMPIANARANA (#9386)

O Ianao Andriamanitra Tsy manan-tsahala! Ianao, ry Tompon’ny Fanapahana! Ireto fanahy ireto no  mandrafitra ny Tafiky ny lanitra. Ampio izy ireo ary, miaraka amin’ny andiany mponin’ny Lanitra, ataovy mpandresy izy ireo, ka ny tsirairay amin’izy ireo dia ho toy ny tafika, handrombaka ireo tany ireo noho ny fitiavan’Andriamanitra sy ny fahazavan’ny fampianaran’Andriamanitra.
Ry Andriamanitra! Aoka Ianao ho Mpanohana sy Mpanotrona azy ireo, ary any an-tany efitra, any an-tendrombohitra, any an-dohasaha, any an’ala, any an-tsaha sy an-dranomasina, aoka Ianao ho Tokiny, ka mba ho re ny antsony noho ny fahefan’ny Fanjakana sy ny tsiokan’ny Fanahy Masina.
Marina tokoa, Ianao Ilay Manam-pahefana, Ilay Mahery, Ilay Mahefa ny zavatra rehetra, Ianao Ilay Hendry, Ilay Mahita sy Mandre.

-`Abdu'l-Bahá
-----------------------

FAMPIANARANA (#9387)

Ry Andriamanitro ô! Andriamanitro! Hitanao aho amin’ny fanetren-tenako sy ny fahalemeko, sahirana manatanteraka asa lehibe indrindra, vonona hanandratra ny Teninao eo anivon’ny vahoaka ary hampiely ny Fampianaranao eo anivon’ny mponina. Ahoana no ahaizako hahomby amin’izany, raha tsy ampianao amin’ny tsiokan’ny Fanahy Masina, ome hay ny fandresena amin’ny alalan’ny tafiky ny Fanjakanao be voninahitra, arotsahy amiko ny Fanamafisanao, izay izany irery ihany no afaka hanova ny aloiloy ho voromahery, ny rano indray mitete ho renirano sy ranomasimbe, ny atoma ho fahazavana sy kintana mamirapiratra.
Ry Tompo ô! Ampio aho amin’ny Hery mpandresy sy mahobinao, ka amin’izay ny lelako dia afaka manonona ny Fideranao sy ny Hatsaranao eo anivon’ny mponina ary ny fanahiko mba ho diboky ny divain’ny Fitiavanao sy ny Fahalalanao.
Marina tokoa, Ianao Manam-pahefana sy Mpanao izay Sitraponao ary ny Herinao dia mahenika ny zavatra rehetra.

-`Abdu'l-Bahá
-----------------------

FAMPIANARANA (#9388)

Ry Tompo ô! Ry Tompoko! Saotra ho Anao! Notarihanao teny amin’ny lalam-ben’ny Fanjakana aho, Navelano nandeha tamin’io lalana mahitsy sy lava io aho. Nazavainao ny masoko tamin’ny fandinihana ny fahazavana. Nampihainoanao ahy ny kalon’ny vorona ny fahamasinan’ny Fanjakan’ny zava-miafina, ary, noho ny fitiavanao, dia nosarihanao ny foko teo anivon’ireo olo-mahitsy.
Ry Tompo! Amafiso amin’ny alalan’ny Fanahy Masina aho mba ahazoako manambara ny Anaranao eo amin’ny firenena rehetra sy hilaza ny vaovao mahafalin’ny Fanehoana ny Fanjakanao amin’ny olombelona.
Ry Tompo! Malemy aho; noho ny Fahefanao, atanjaho aho. Miahotrahotra ny lelako, mamelà ahy hankalaza ny Fahatsiarovana sy ny Fiderana Anao. Manetry tena aho, omeo ahy ny voninahitra ho voaray ao amin’ny Fanjakanao. Lavitra Anao aho, avelao aho hanantona ny Tokonan’ny Famindramponao.
Ry Tompo! Ataovy ho toy ny jiro mamirapiratra sy kintana manjelanjelatra ary hazo voatahy milon-jehitra voa aho, ka ireo tahony dia  hanitatra ny alokany eny amin’ny faritra rehetra.
Marina tokoa, Ianao Ilay Tsitoha, Ilay Mahaleo-tena.

-`Abdu'l-Bahá
-----------------------

FAMPIANARANA (#9389)

Ry Andriamanitra ô! Andriamanitra! Hitanao aho raiki-pitia sy voasinton’ny Fanjakanao El-Abhá, miredaredan’ny afom-pitiavanao eo anivon’ny olona, manambara ny Fanjakanao ao amin’ireo firenena lehibe sy midadasika, tafasaraka tamin’ny zavatra rehetra afa-tsy Ianao, mandao ny fialan-tsasatra sy ny fiadanana, mametraka ny fitokisako Aminao.
Lavitra ny tany nihaviako, mpisava lalana any amin’ireo faritra ireo, mpivahiny eto amin’ity tany ity, mitsangana am-panetren-tena aho eo anoloan’ny Tokonanao Masina, manaiky ny Fanapahanao ambony indrindra, mitalaho Aminao ny hariva sy amin’ny misasak’alina, miantso Anao sy mitaraina Aminao marain-tsy hariva mba hanampy ahy amin’ny fanompoana ny Fototrao, ny fanapariahana ny Fampianaranao sy ny fankalazana ny Teninao manerana ny tany Atsinanana sy Andrefana.
Ry Tompo, atanjaho aho, amafiso ny fahafaha-manaoko ary ataovy mafy orina aho amin’ny fanompoana Anao; aza avela ho irery sy hiantehitra amin’ny tenako aho  any amin’ireo firenena ireo.
Ry Tompo, miombona amiko amin’ny fanireriko ary miaraha amiko amin’ireo diako manerana ireo firenena hafa ireo.
Marina tokoa, manamarina izay tianao amin’izay irianao atao Ianao, ary marina tokoa, Ianao Ilay Tsitoha, Ilay Mahefa ny zavatra rehetra.

-`Abdu'l-Bahá
-----------------------

FAMPIANARANA (#9390)

Ry Andriamanitra ô! Andriamanitro! Hitanao ny fahalemeko, ny fanadinoako ny tenako sy ny fanetren-tenako eo amin’ireo voaharinao, nefa napetrako Taminao ny fahatokiako ary mahatoky ny Fahefanao sy ny Herinao nitsangana aho mba hampiroborobo ny Fampianaranao eo amin’ireo mpanomponao tapa-kevitra.
Ry Tompo! Vorona tapak’elatra aho ary maniry fatratra hanidina eny amin’ny Habakabakao tsy misy fetra. Ataoko ahoana ny ho tonga amin’izany raha tsy noho ny  Fitantananao sy ny Fahasoavanao, ny Fanamafisanao sy ny Fanampianao!
Ry Tompo! Mamindra fo amiko noho ny fahalemeko ary amafiso aho noho ny Fahefanao.
Ry Tompo! Mamindra fo amiko noho ny tsy fahafaha-manaoko ary ampio aho noho ny Herinao sy ny Fiandriananao.
Ry Tompo! Raha ny tsiokan’ny Fanahy Masina no manamafy ny olona faran’izay osa dia ho tonga eny amin’ny ambaratonga ambony indrindra izy ary hahazo izay iriany. Marina tokoa, Ianao, hatramin’ny taloha, dia  nanotrona ny mpanomponao; faran’izay osa izy ireo, manetry tena indrindra sy tsinontsinona indrindra amin’ireo voaharinao tamin’ireo izay niaina teto an-tany; nefa noho ny Fanekenao sy ny Fahefanao, nahazo ny fahamboniana teo amin’ny vahoaka faran’izay be voninahitra sy olona faran’izay mendrin-kaja ireo mpanomponao ireo.
Raha noharina toy ny bibikely izy ireo taloha dia novaina ho voromahery; raha  toy ny rano indray mitete izy ireo dia tonga ranomasimbe. Noho ny Tolotrao, ny Famindramponao sy ny Fitiavanao manan-daza, tonga kintana mamirapitratra eny amin’ny faravodilanitry ny Fitarihanao izy ireo, tonga vorona mikalo ao amin’ny tanin-draozin’ny fiainana mandrakizay, tonga liona mierona ao amin’ny alan’ny fahalalana sy ny fahendrena, ary tonga trozona milomano ao amin’ny ranomasimben’ny fiainana.
Marina tokoa, Ianao Ilay Malemy fanahy, Ilay Mahery, ary Ilay be indrafo amin’ireo be indrafo.

-`Abdu'l-Bahá
-----------------------

FAMPIANARANA (#9391)

Dera ho Anao, ry Andriamanitro ô! Marina tokoa, ireto ny mpanomponao voasariky ny hanitry ny Famindramponao, miredareda amin’ny afo mirehitra eo amin’ny hazon’ny Firaisanao ary ny masony mamirapiratra mandinika ny fahazavana manjopika eo amin’ny Sinaï-n’ny maha-Iray Anao.
Ry Tompo, vahao ny lelany mba hankalazany Anao eo amin’ny vahoakanao, avelao hihira ny fiderana Anao izy ireo  noho ny Fankasitrahanao sy ny Fahasoavanao, ampio izy ireo amin’ny tafik’ireo anjelinao, atanjaho izy ireo eo amin’ny fanompoana Anao ary ataovy ho famantarana ny Fitarihanao izy ireo eo anivon’ireo voaharinao.
Marina tokoa, Ianao Ilay Mahery, Ilay Tena ambony, Ilay Mpamela heloka, Ilay Mpamindra fo.
Ry Andriamanitro ô! Andriamanitro! Hitanao ity voahary malemy izay mitalaho ny herin’ny Fanjakanao, ity olo-mahantra mitalaho Aminao mba hanome azy ny soan’ny lanitrao. Ity mangetaheta maniry fatratra hahita ny loharano izay hikorianan’ny ranon’ny fiainana mandrakizay, ity marary mangataka noho ny fangoraham-ponao tsy hita lany ny fahasitranana tanteraka izay natokanao manokana ho an’ireo mpanomponao voafidy ao amin’ny Fanjakanao faratampony.
Ry Tompo ô! Tsy manan-kianteherana afa-tsy Aminao aho, tsy manana mpampionona na mpiahy aho afa-tsy Ianao! Ampio amin’ireo anjelinao aho amin’ny fampielezana ny Hanitrao masina sy ny fanapariahana ny Fampianaranao eo amin’ny olom-boafidinao.
Ry Tompo ô! Aoka tsy hiraikitra amin’ny zavatra rehetra aho afa-tsy Aminao ary hifikitra mafy amin’ny rambon’akanjonao, aoka ho tso-po aho ao amin’ny Finoanao, ho mafy orina ao amin’ny Fitiavanao, ary ataovy izay hiainako mifanaraka amin’izay nolazainao tao amin’ny Bokinao.
Marina tokoa, Ianao Ilay Mahery, Ilay Matanjaka, Ilay Mahefa ny zavatra rehetra.

-`Abdu'l-Bahá
-----------------------

