FAMELAN-KELOKA (#9339)

Ankalazaina anie ny Anaranao, ry Andriamanitro ô sy Ilay Andriamanitr’izao rehetra izao, Voninahitro sy Ilay Voninahitry ny zavatra rehetra, Faniriako sy Ilay fanirian’ny zavatra rehetra, Heriko sy Ilay Herin’ny zavatra rehetra, Mpanjakako sy Ilay Mpanjakan’ny zavatra rehetra, Tanjoko sy Ilay Tanjon’ny zavatra rehetra, Mpampihetsika ahy sy Ilay Mpampihetsika ny zavatra rehetra! Mitalaho Aminao aho, aza avela ho lavitry ny Famindramponao feno fitiavana aho na ho esorinao lavitry ny moron-dranon’ny Fanakaikezanao.
Tsy misy hafa noho Ianao, ry Andriamanitro ô, no mahasoa ahy ary ny fanatonana akaiky ny hafa afa-tsy Ianao dia tsy misy ilako azy na dia kely akory aza. Mifona Aminao aho, noho ny habetsahan’ny harenao izay nahatonga Anao tsy hiankina amin’ny hafa afa-tsy Aminao ihany, mba hanisa ahy ho isan’ireo izay nampitodika ny endriny  any Aminao sy nitsangana mba hanompo Anao.
Noho izany mamelà, ry Tompoko ô, ireo mpanompolahy sy mpanompovavinao. Marina tokoa fa Ianao Ilay mamela heloka mandrakariva, Ilay be Famindrampo tokoa.

-Bahá'u'lláh
-----------------------

FAMELAN-KELOKA (#9340)

Izaho, ry Andriamanitro, ilay  izay nampitodika ny tavako eny Aminao sy nametraka ny fanantenako tao amin’ireo zava-mahagagan’ny Fahasoavanao sy ny fanambarana ny Fahalalan-tananao. Miangavy Anao aho, aza avela aho hanalavitra amim-pahadisoam-panantenana ny varavaran’ny Indrafonao ary aza mandao ahy eo am-pelantanan-ireo voaharinao izay nandà ny Fototrao.
Izaho, ry Andriamanitro, dia mpanomponao sy zanaky ny mpanomponao. Nahafantatra ny Fahamarinanao aho tamin’ireo Andronao, notarihako ny diako ho eny amoron’ny Firaisankinanao, nihaiky aho fa Irery sy Tokana Ianao ary nanantena ny Famelankelokao aho. Manana fahefana hanao izay fantatrao fa tsara Ianao; tsy misy Andriamanitra hafa afa-tsy Ianao, ilay Be Voninahitra, Ilay Mpamindrafo mandrakizay.

-Bahá'u'lláh
-----------------------

FAMELAN-KELOKA (#9317)

Fantatro ry Tompo, fa ireo fahotako dia nandrakotra henatra ny tavako teo Anatrehanao, ary nampanjoko ny lamosiko teo Anoloanao, nanelanelana ahy sy ny Hatsaran-tarehinao, nihodidina ahy tamin’izay naleha rehetra, nanakana ahy avy amin’ny lafiny rehetra tamin’ny fahazoana ny fidirana amin’ny fanambarana ny Fahefan-danitrao.
Ry Tompo, raha tsy mamela ahy Ianao, iza indray no angatahana famelana, ary raha tsy mamindra fo amiko Ianao, iza no afaka ampiseho fangoraham-po? Voninahitra ho Anao, nahary ahy Ianao raha mbola tsy nisy akory aho ary novelominao aho raha mbola tsy nanana fahazoana akory. Dera anie ho Anao, ny porofom-pitiavana rehetra dia avy Aminao ary ny marikin’ny fahasoavana rehetra dia avy amin’ny harena sarobidin’ny Didinao.

-The Báb
-----------------------

FAMELAN-KELOKA (#9318)

Mangataka ny indrafonao aho, ry Andriamanitro, ary mitalaho ny famelanao araka ny fomba izay irinao itodihan’ireo mpanomponao any Aminao. Miangavy Anao aho mba hikosoka ny fahotanay araka ny  Fiandriananao sy hamela ahy , ireo ray aman-dreniko, sy ireo izay, araka ny Fanombananao , tafiditra teo amin’ny fonenan’ny Fitiavanao  tamin’ny fomba mendrika ny Fiandriananao ambony indrindra sy mifanaraka amin’ny voninahitry ny Fahefan-danitrao.
Ry Andriamanitro! Nomenao aingam-panahy ny fanahiko mba haneho Aminao ny fitalahoany, ary raha tsy Ianao, tsy ho niantso Anao aho; ho deraina sy homem-boninahitra Ianao; mankalaza Anao aho satria niseho tamiko Ianao; ary mangataka Aminao aho mba hamela ahy, satria tsy nahatanteraka ny andraikitro hahafantatra Anao ary tsy nandeha tamin’ny lalan’ny Fitiavanao.

-The Báb
-----------------------

FAMELAN-KELOKA (#9319)

Deraina anie Ianao, ry Tompo. Mamela ny helokay, mamindra fo aminay ary avelao izahay hiverina any  Aminao. Sakano izahay tsy hiantehetra na amin’iza na amin’iza afa-tsy Aminao, ary omeo anay, amin’ny alalan’ ny Hatsaran-toetranao, izay tianao sy irinao ary izay mendrika Anao. Asandrato ny laharan’ireo izay tena nino ary mamela heloka azy ireo noho ny Famelanao be indrafo. Marina tokoa, Ianao Ilay Mpamonjy amin’ny loza, Ilay Mampisy ny tenany amin’ny alalan’ny tenany.

-The Báb
-----------------------

FAMELAN-KELOKA (#9320)

Ry Andriamanitro, ry Tompoko, ry Mpampianatro! Miangavy Anao aho hamela ny heloko amin’ny fikarohako fahafinaretana hafa afa-tsy ny fitiavanao, fanohanana izay tsy ho eo akaiky Anao na fifaliana ankoatry ny fahafinaretanao, ny fiaimpiainana hafa tsy miray Aminao.

-The Báb
-----------------------

FAMELAN-KELOKA (#9378)

Ry Tompo mpamindra fo ô! Ianao no Fialofan’ny mpanomponao rehetra. Ianao mahalala ny tsiambaratelo ary ianao  mahafantatra ny zavatra rehetra. Tsy manana ianteherana avokoa izahay, ary Ianao no Mahery Indrindra, Mahefa ny zavatra rehetra. Mpanota avokoa izahay, ary Ianao no Mpamela heloka, Ilay be indrafo, Ilay Mpangoraka.
Ry Tompo, aza mijery ny fahadisoanay. Ataovy aminay izay mifanaraka amin’ny Fahasoavanao sy ny Fahalalan-tananao. Maro ny fahadisoanay, fa tsy manam-petra ny ranomasimben’ny Famelan-kelokao. Lehibe ny fahalemenay, fa ny porofon’ny Fanohananao sy ny Fanampianao dia miharihary. Noho izany, hamafiso sy atanjaho izahay. Ataovy izay hanaovanay izay mendrika ny Tokonanao Masina. Hazavao ny fonay, omeo maso maranitra izahay sy sofina malady. Atsangano ny maty ary sitrano ny marary. Omeo harena ny mahantra ary omeo fitoniana sy fiarovana ireo be ahiahy. Ekeo ho ao amin’ny Fanjakanao izahay ary hazavao amin’ny fahazavan’ny Fitarihanao.
Ianao Ilay Manam-pahefana, Ilay Tsitoha. Ianao Ilay Malala-tanana. Ianao Ilay Malemy Fanahy. Ianao Ilay Be fitiavana.

-`Abdu'l-Bahá
-----------------------

FAMELAN-KELOKA (#9379)

Ry Tsitoaha! Mpanota aho, nefa Ianao Ilay izay mamela heloka! Malemy aho eo anatrehan’ny fakampanahy, nefa Ianao Ilay izay Mpangoraka! Ao  anaty aizim-piton’ny fahadisoana aho, nefa Ianao no fahazavan’ny famotsorana!
Ianao, ry Andriamanitra be fitiavana, mamela ny heloko, omeo ahy ny tolotrao, mamindra fo amin’ny fahadisoaka, aoka ho fialofako Ianao, asitrio ao amin’ny loharanom-paharetanao aho ary sitrano amin’ny fangirifiriana sy ny aretina rehetra.
Diovy aho ary atolory ahy ny fahamasinanao. Aoka mba handray anjara amin’ny firotsahan’ny fahamasinanao aho mba ho levona ny fahoriako sy ny alaheloko, hiova ho fifaliana sy fahatoniana ny fahakiviana sy ny fahadisoam-panantenana, hisolo herim-po ny ahiahy. Marina tokoa, Ianao Ilay mamela heloka, Ilay mpangoraka, Ianao ilay Onena olona, ilay malala.

-`Abdu'l-Bahá
-----------------------

