FAHAFATESANA (#9360)

* “Ny fahafatesana dia manolotra ho an’ny mpino mahatoky tsirairay ny kalisy izay tena fiainana marina. Mizara fifaliana izy ary mitondra fahasambarana. Manome ny fiainana mandrakizay izy.”
*Bahá’u’lláh.


Avelao, ry Tompoko ô, ireo izay efa niakatra any Aminao, mba hahita fialofana ao Aminao izay Mpiaradia faratampony. Ekeo ho azy ireo ny hitoetra eo amin’ny aloky ny taberinakelin’ny Fiandriananao sy ao amin’ny tempolin’ny Voninahitrao. Aoka ny ranomasimben’ny Famelanao heloka hitosaka eo amin’izy ireo, ry Tompolo ô, ary ahatonga azy ireo ho mendrika honina mandrakizay ao amin’ny Fanjakanao ambony indrindra ary eo ambany fanapahanao faratampony.
Manana fahefana hanao izay sitrakao Ianao.

-Bahá'u'lláh
-----------------------

FAHAFATESANA (#9361)

*“Ny vavaka ho an’ny Maty... no hany vavaka Bahá’í tsy maintsy atao izay tononona ampahibe-maso; tokony ho tononon’ny mpino iray izy io ary ny rehetra manatrika dia mitsangana am-pahanginana. Bahá’u’lláh dia nanazava fa ity Vavaka ho an’ny maty ity dia takiana raha olon-dehibe ilay maty (mihoatra ny dimy ambinifolo taona), ary ny fanononana azy dia tsy maintsy mialohan’ny fanitrihana, ary tsy misy ny fitakiana ny fitodihana any amin’ny Qiblih mandritra izany.” Kitab-i-Aqdas .

Ry Andriamanitro ô! Ity ny mpanompolahinao sy ny zanakalahin’ny mpanompolahinao izay nino Anao sy ny Famantaranao ary izay nanandratra ny endriny teny Aminao, nihataka tanteraka tamin’ny zavatra rehetra afa-tsy Taminao. Ianao marina tokoa Ilay maneho Indrafo, Ilay be indrafo indrindra.
Tanteraho aminy, O Ianao izay mamela ny fahotan’ny olona rehetra ary manafina ny fahadisoany, araka izay mendrika ny lanitrin’ny Hatsaram-panahinao sy ny ranomasimben’ny Fahasoavanao. Omeo azy ny fahazoan-dalana miditra eo amin’ny manodidina ny Famindramponao ambony indrindra izay nisy talohan’ny fanorenana ny tany sy ny lanitra. Tsy misy Andriamanitra hafa afa-tsy Ianao, Ilay mamela heloka mandrakariva, Ilay Mpiantra Indrindra.
Aoka averina in-enina izao teny izao: “Alláh’u’Abhá”, ary averina in-tsivy ambinifolo mifanarakaraka ny andininy tsirairay manaraka izao (***) :

Isika rehetra, marina tokoa, dia mitsaoka an’Andriamanitra.

Isika rehetra, marina tokoa, dia miondrika eo anatrehan’Andriamanitra.

Isika rehetra, marina tokoa, dia nanokan-tena ho an’Andriamanitra.

Isika rehetra, marina tokoa,  dia midera an’ Andriamanitra

Isika rehetra, marina tokoa, dia mankasitraka an’ Andriamanitra.

Isika rehetra, marina tokoa, dia manam-paharetana ao amin’Andriamanitra.


*(Raha vehivavy no maty dia izao no lazaina: Ity no mpanompovavinao sy ny zanakavavin’ny mpanompovavinao)

* Raha lazaina amin’ny teny hafa, ny andininy averimberina in’enina dia atao toa izao : “Alláh-u-Abhá dia tonona indray mandeha; rehefa izany, ny andalana voalohany dia tononona in-tsivy ambinifolo. Avy eo tononona indray “Alláh-u-Abhá”, arahan’ny andininy faharoa, izay tononona in-tsivy ambinifolo, ary dia toy izany hatrany.

-Bahá'u'lláh
-----------------------

FAHAFATESANA (#9362)

Andriamanitra Izy, Ilay Deraina, Ilay Tompon’ny Halemem-panahy sy ny fangorahana!
Voninahitra ho Anao, ry Andriamanitro ô, Ilay Tompo Tsitoha. Izaho dia vavolombelon‘ny Fanananao fahefana, ny Herinao, ny Fiandriananao, ny Fahasoavanao be fitiavana, ny Famindramponao sy ny Fahefanao, ny maha-Tokana ny Fisianao sy ny maha-Iray ny tena maha-Izy Anao, ny Fahamasinanao sy ny Fisandratanao ambonin’ny tontolo ety an-tany sy izay rehetra misy eo aminy.

Ry Andriamanitro ô! Hitanao aho fa tsy miraiki-po amin-javatra hafa afa-tsy Aminao, mifikitra mafy Aminao sy mitodika any amin’ny ranomasimben’ny Fahasoavanao, eny amin’ny lanitry ny Fahasoavanao sy ny kintana marainan’ny Famindramponao.
Ry Tompo! Vavolombelona aho fa ao amin‘ny mpanomponao dia nametrahanao ny Fahatokisanao, ary izany dia ny Fanahy izay nanomezanao aina an’izao tontolo izao.
Mangataka Aminao aho, noho ny famirapiratrin’ny Faribolan’ny Fanambaranao, hanaiky am-pankasitrahana avy aminy izay notanterahana tamin’ny Andronao. Atolory ho azy, noho izany, ny ho feno ny voninahitrin’ny Sitraponao ary haingoy amin’ny  Fankatoavanao izy.
Ry Tompoko ô! Izaho manokana ary ireo voahary rehetra dia vavolombelona amin’ny Herinao, ary mivavaka Aminao aho mba tsy ho sarahinao Aminao ity fanahy izay nisandratra any Aminao, mankany amin’ny Toeran-danitrao, ny Paradisanao ambony indrindra ary ny Fialantsasatry ny fanakaikezana Anao, O Ianao izay Tompon’ny olon-drehetra!
Aoka, ry Andriamanitro, ny mpanomponao hiombona amin’ny olom-boafidinao, ny Olo-masinao sy ny Mpitondra Hafatrao, ao amin’ireo toeran-danitra izay tsy hain’ny penina soratana na ny lela tantaraina.
O Ry Tompoko, ity mahantra ity, marina tokoa, dia dodona ho eny amin’ny Fanjakan’ny Harenao, ity mpivahiny ho eny amin’ny ankaniny ao anatin’ny Manodidina Anao, izy izay mangetaheta mafy ho eny amin’ny onin’ny Halemem-panahinao. Aza avela ho diso anjara izy, ry Tompo, amin’ny fanasam-ben’ny Famindramponao sy amin’ny fahasoavan’ny Halemem-panahinao. Ianao marina tokoa Ilay Mahery Indrindra, Ilay Manam-pitiavana, Ilay be Fiantra Indrindra.
Ry Andriamanitro ô, niverina tany Aminao ity Petrakao.  Anjaran’ny Fahasoavanao sy ny Fangorahanao, izay nihodidina ny Fanapahanao any an-danitra sy ety an-tany, ny manolotra ho an’ity vahiny vaovao tongasoa ity  ny Fanomezana sy Tolotra avy any Aminao, ary ny voan’ny Hazon’ny Fahasoavanao! Manam-pahefana hanao izay sitrakao Ianao. Tsy misy Andriamanitra hafa afa-tsy Ianao, Ilay Manam-pitiavana, Ilay Be Fiantrana Indrindra, Ilay Be Fangorahana, Ilay Mpanome, Ilay Mpamela heloka, Ilay Sarobidy, Ilay Mpahalala ny zavatra rehetra.
Vavolombelona aho, ry Tompoko ô, fa nandidy ny olona Ianao hanaja ny vahininy ary izay niakatra ho any Aminao, marina tokoa, dia tonga hatrany Aminao ary nanatratra ny Fanatrehanao. Ataovy aminy, noho izany izay mifanaraka amin’ny Fahasoavanao sy ny Fangorahanao. Noho ny Voninahitrao, mino marina aho fa tsy hanaisotra amin’izay nodidinao ho an’ny mpanomponao Ianao ary tsy handiso anjara ny Fanomezanao ho an’izay nifikitra tamin’ny rohim-pangorahanao sy nisandratra hatrany amin’ny Fiposahan’ny  Harenao.
Tsy misy Andriamanitra hafa afa-tsy Ianao, Ilay Tokana, Ilay tsy Manam-paharoa, Ilay Manampahefana, Ilay Mpahalala ny zavatra rehetra, Ilay onena olona.

-Bahá'u'lláh
-----------------------

FAHAFATESANA (#9399)

Ry Andriamanitro ô! O Ianao izay mamela heloka, izay mizara ny soa, izay manaisotra ny alahelo!
Marina tokoa, mitalaho Aminao aho mba hamela ny helok’ireo izay nandao ny akanjon’ny nofo ary   nisandratra eny amin’ny tontolom-panahy.
Ry Tompo ô! Diovy noho ny fandikan-dalàna izy ireo, savao ny alahelony ary soloy hazavana ny haiziny. Aoka hiditra ao an-jaridainam-pahasambarana izy ireo, diovy amin’ny rano izay tena mangatsakatsaka izy ireo ary avelao izy ireo handinika ny Famirapiratanao eo amin’ny tendrombohitra ambony indrindra.

-`Abdu'l-Bahá
-----------------------

