ANKIZY (#9395)

Ry Andriamanitro! Tariho aho, arovy aho, hazavao ny jiron’ny foko ary ataovy toy ny kintana mamirapiratra aho. Ianao Ilay Mahery, Ilay Manam-pahefana.

-`Abdu'l-Bahá
-----------------------

ANKIZY (#9396)

Ry Andriamanitra! Beazo ireto zaza ireto. Ireo zaza ireo dia volin’ny Saham-boankazonao, voninkazon’ ny Tanin’ahitrao, raozin’ny Zaridainanao.
Aoka ny Oranao hirotsaka aminy; aoka ny Masoandron’ny Fahamarinana hamirapiratra amin’izy ireo noho ny Fitiavanao. Aoka ny Tsioka malefakao hamelom-belona azy ireo ka mba ho voaofana, hitombo sy hivelatra izy ireo ary hiseho amin’ny hatsarana tonga lafatra indrindra.
Ianao Ilay Mpanome! Ianao Ilay Mpamindra fo!

-`Abdu'l-Bahá
-----------------------

ANKIZY (#9397)

Ry Andriamanitro! Tezao ity zaza menavava ity eo an-Tratram-pitiavanao ary omeo azy ny ronono avy amin’ny tratran’ny Fitahianao. Kolokoloy ity voly tanora ity ao amin’ny tanindraozin’ny Fitiavanao ary ampio izy mba hitombo amin’ny alalan’ny andon’ny Fitahianao.
Ataovy zanaky ny Fanjakanao izy ary tariho ho eny amin’ny Fanjakan-danitrao. Mahery sy tsara Ianao, ary  Ianao Ilay Mpanome, Ilay Malala-tanana, Ilay Tompon’ny fanambinana tapitr’ ohatra.

-`Abdu'l-Bahá
-----------------------

ANKIZY (#9398)

Ry Tompoko ô! Ry Tompoko ô! Zaza mbola kely aho. Velomy amin’ny tratran’ny Famindramponao aho, tezao ao amin’ny tratran’ny Fitiavanao, ampianaro ao amin’ny sekolin’ny Fitarihinao ary halehibiazo eo ambanin’ny aloky ny Hatsaranao.
Afaho amin’ny haizina aho, ataovy toy ny hazavana mamirapiratra aho, arovy amin’ny fahoriana aho, ataovy voninkazon’ny tanin-draozinao aho; aoka aho ho lasa mpanompon’ny Tokonam-baravaranao ary omeo ahy ny fepetra sy ny natioran’ny olomarina; ataovy ho toy ny anton’ny hatsarana eo amin’ny tontolon’olombelona aho, ary satrohy ny diademan’ny fiainana mandrakizay.
Marina tokoa, Ianao Ilay Mahery, Ilay Tsitoha, Izay Mpahita sy Mpihaino.

-`Abdu'l-Bahá
-----------------------

